Asabotsy 22 Oktobra 2022

Ary satria sasatra Jesosy tamin’ny nalehany, dia nipetraka teo am-pantsakana Izy. Jaona 4:6

(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28

 

Jesosy, sasatra tamin’ny nalehany

Sasatra Jesosy ary nipetraka teo amorona fantsakana iray. Izany fahasasarana izany dia manoritra tsara ny maha olombelona an’i Jesosy. Tao amin’ny vatana noraisiny dia nanompo ny hafa Izy. Satria tokony hamakivaky an-tongotra an’i Samaria manontolo Izy, dia sasatra ka nipetraka. Nefa Izy dia Andriamanitra ! Rehefa naka fanahy Azy ny devoly (Matio 4), dia nitanisa teny ao amin’ny Baiboly : „Izy handidy ny anjeliny ny aminao… ary eny an-tànany no hitondran’ireo anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao” (Salamo 91:11, 12). Marina tanteraka izany ! Ho afaka nampiasa ny heriny Jesosy, mba tsy ho tratran’izany fahasasarana izany. Nefa ny filazantsara rehetra dia mampiseho amintsika fa nekeny ny hizaka ny hafanana, ny hasasarana, ny hanoanana, ny hetaheta.

Ambonin’izany, tsy misy olona afaka maminavina ny lanjan’ny vesatra ara-panahy nozakainy nandritra ny fiainany tetỳ an-tany, satria tsy misy olona tena mahatakatra marina ny nanjo Azy. Hitany tsy tapaka tao anatin’ny fon’ireo nanodidina Azy ny haratsiana, ny fitiavantena, ary nanoloana Azy ny fotoana eo amin’ny hazofijaliana, handraisany izay rehetra fahotantsika ho toy ny hoe fahotany…

Nanafoana ny tenany Jesosy, mba hanjary olona. Nijaly Izy tetỳ an-tany, ka afaka mahatsapa ihany koa izay rehetra fahoriantsika, mahatakatra ny manjo ny mpiasa sasatra noho ny asa mavesatra, ny marary mijaly ao amin’ny nofony, ny manjo izay rera-tsaina sy kivy. „Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy” (Hebreo 2:18).

(namboarina araka ny soratr’i C.H. Spurgeon)