Alahady 23 Oktobra 2022

Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra. Jaona 6:68, 69

 

Iza no afaka mamaly ny fanontaniako ?

Nahoana aho no teraka ? Avy aiza moa aho ? Ary ho aiza ? Maninona eto aho ? Nahoana no misy ny haratsiana ? ny fijaliana ? Inona no anton’ny fahafatesana ? Inona ny havaliko ireo fanontaniana rehetra ireo, mbamin’ireo hafa ihany koa ? Mba tsy ho haiko kosa ny hanandrana hanadino ireo fanontaniana ireo e !

Koa mikaroka aho… Mikaroka aho, nefa tsy mahita. Mba nanandrana nanampy ahy ihany ny filôzôfia sy ny fivavahana, nefa ny valiny rehetra omen’ireo dia mahatonga ahy hidona amina fanontaniana hafa indray. Kisendrasendra no nahaterahako, tsy maintsy miaina aho, avy eo aho dia hanjavona… tsy azo ihodivirana izany. Ho afaka ny tsy ho teraka aho. Ho afaka ny tsy hiaina. Tsy afaka ny tsy ho faty. Eto aho, ary tsy misy takatro mihitsy izany. Eny, tena tsy misy dikany izany rehetra izany e ! Raha tsy hoe angaha, raha tsy hoe angaha…

Indro fa misy boky iray, nosoratana efa taonjato maro lasa, manambara fa misy Mpahary, ary Izy dia manana zavatra holazaina ahy. Mahaliana ahy izany. Ary io boky io, hono, dia mitondra valiny ho an’ireo rehetra sahy manokatra azy. Koa nahoana moa no tsy izaho ? Izay, nosokafako io boky io ; novakiko… ny Baiboly ! Mbola vakiko hatrany ankehitriny. Isanandro dia hitako bebe kokoa hatrany ao ilay Mpahary ahy, dia Andriamanitra. Andriamanitra lehibe, marina, masina ary feno fitiavana, milaza amiko izay rehetra momba ahy, ary mampahafantatra ahy ny tena atao hoe fiainana. Eny, marina tokoa, ny fiainana, ny tena fiainana, ny fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Azy, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Ilay nirahiny, dia Jesosy Kristy (Jaona 17:3).