Alatsinainy 24 Oktobra 2022
Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an’i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ny Tompo nolazainy taminy hoe : „Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.” Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra. Lioka 22:61, 62
Mitandrema tsara… fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana. Hebreo 12:15
— Simona Petera dia mpianatr’i Jesosy. Rehefa nilaza tamin’ny mpianany Jesosy fa hohomboana eo amin’ny hazofijaliana, dia hentitra i Petera nilaza fa vonona hiaraka aminy hatramin’ny fahafatesana. Nefa raha vao avy nivadihan’i Jodasy i Jesosy ary nentina mba hotsaraina, dia niala tamin’i Petera ny herimpony, teo anatrehan’ireo niampanga azy ho niaraka tamin’i Jesosy (Lioka 22:56-60). Nanamafy intelo izy hoe tsy nahafantatra Azy. Namerina an’i Petera ho eo amin’ny zavamisy ny akoholahy naneno, araka ny nolazain’i Jesosy mialoha. Vaky ny fony noho ny topy maso tokana feno fitiavana nataon’ny Mpampianatra azy, ka nitomany tam-pangidiana izy noho ny fahadisoany. Nefa nokarakarain’i Jesosy izy. Ao amin’ny tantara raketin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia ho hitantsika indray i Petera, navitrika dia navitrika ho an’ny Tompony.
Isika koa ve tra-pahoriana sy feno fangidiana ? Fisaonana, aretina tsy hay sitranina, fisarahana, tsy fahatakaran’ny hafa izay manjo antsika ; maro ny fitsapana toa tsy hay hazavaina, ary toa tsy rariny mihitsy aza. Dia azon’ny fangidiana isika : „Tafahoatra kosa ity e ! Fa nahoana no izaho ? …” Raha tehirizintsika ireny „faka mangidy” ireny, dia mety hitera-doza, araka ny ampitandreman’ny Baiboly antsika. Koa ndao roahina ireny eritreritra ireny, alohan’ny hamakany sy hamoazany voa ratsy.
Ny fahasoavan’Andriamanitra no loharanon-kery ho an’ny mpino rehetra fahiny, ary mbola ho antsika ankehitriny koa. Agamba isika manana fangidiana miafina, toy izay nambaran’i Solomona hoe : „Ny fo no mahalala ny fangidian’ny alahelony” (Ohabolana 14:10). Ndao hitodika mandrakariva amin’Andriamanitra. Izy irery no afaka manala ny vesatra ao anatintsika, mampitsahatra ny tafiotra, mampitony ireo fisalasalana sy ny fikomiana, ary manafaka antsika, amin’ny fotoana voatendriny.