Talata 25 Oktobra 2022
(Hoy izy ireo momba an’i Jesosy :) Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra. Marka 7:37
Matokia Azy mandrakariva ianareo… ; loary eo anatrehany ny fonareo ; Andriamanitra no aro ho antsika. Salamo 62:8
Marta sy Maria dia nampilaza tamin’i Jesosy fa marary i Lazarosy anadahiny ; nihevitra izy ireo fa ho tonga any Betania hanasitrana azy Jesosy, Izay tena niraiki-po tamin’izy telo mianadahy. Nefa Jesosy dia tsy maintsy nanome voninahitra an’Andriamanitra, tsy amin’ny hanasitranany an’i Lazarosy tsy akory, fa amin’ny hananganany azy ampahibemaso ho velona indray. Taorianan’ny nahafatesan’i Lazarosy dia nanakaiky ny tanàna Jesosy, mba hampionona an’i Marta sy Maria, izay samy tonga nitsena Azy teny an-dalana. Tao anatin’ny fahoriany dia tsy takatr’izy mirahavavy hoe nahoana Jesosy no tara loatra vao tonga. Izany tsy fahatakarany izany no nahatonga azy ireo hanambara ny alahelony, izay mirakitra ihany koa ny fanomezan-tsiny hoe : „Tompoko, raha teto Ianao, dia tsy maty ny anadahiko”. Niombona alahelo tamin’izy ireo ny fon’ny Tompo, fo mora tohina araka ny maha Andriamanitra Azy : niara-nitomany tamin’izy mirahavavy Jesosy. Nefa izy ireo tsy maintsy nianatra hahafantatra fa Jesosy anie dia Andriamanitra, ka Tompon’ny fotoana sy ny zavatra rehetra. Niandry fotsiny ny fotoana tandrify Izy, mba hanampiany azy ireo, sy mba hampahafantarany azy ireo ny zava-mahatalanjona momba ny fitsanganana ho velona indray any aoriana.
Ry kristiana, mazàna isika no manana fihetsika toa izany koa, manoloana ny fitsapana. Ferantsika ny fitiavan’ny Tompo, ary koa, matetika, ny heriny. Tsy mahatakatra ny drafitr’Andriamanitra isika, ary misalasala momba ny maha eo anilantsika Azy : nahoana Andriamanitra no namela hisy fitsapana lava aoka izany sy nampitondra fijaliana fatratra toy izao ? Tsy takatry ny saintsika izay zavatra nomaniny ho antsika. Aoka hangatahintsika Ilay Andriamanitsika mba hanatanjaka ny fitokiantsika aminy, sy ny finoantsika ny fampanantenan’ny Teniny. Ndao hotadidina ny nolazain’ny Tompo an’i Marta hoe : „Raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra”.