Alarobia 26 Oktobra 2022

Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy. 2 Timoty 2:1

 

Fahalalana mahafinaritra, ny fahalalana momba ny fahasoavana

„Elaïs no anarako, 24 taona aho, ary mianatra momba ny hetsika baikoin’ny saina (psychomotricité). Nihalehibe tao anaty ankohonana tia an’Andriamanitra aho, ankohonana kristiana. Angamba hitanao hoe sarotra izany mino an’Andriamanitra izany ? Izaho manokana dia tsy mba sahirana mihitsy nino ny fisian’Andriamanitra. Nefa amiko Andriamanitra dia any lavitra any. Raha zohina, ny nanentana ahy dia faharesen-dahatra hoe fiainana mahaliana aoka izany ny fiainana miaraka amin’Andriamanitra… ka tena nokarohiko. Nanolo-tena fatratra aho tao am-piangonana, nandeha tany Toronto mba hanompo ireo mahantra sy hiara-miaina amin’izy ireo… Tena nahafinaritra ahy ny nanao izany rehetra izany. Nefa na dia nanolo-tena 200% aza aho, dia tsy nahafahako nanakaiky an’Andriamanitra izany. Nihevitra hatrany an’Andriamanitra ho Andriamanitra lavitra aho.

Tena niova ny fiainako nandritra ny fivoriana kristiana iray, nahatsapako fa Andriamanitra dia Andriamanitra akaiky, ary teo foana, nanomboka tamin’ny nahaterahako sy taloha lavitr’izany. Tena nanohina ahy io nahatsapako amin’ny fomba mivaingana io ny fanatrehan’Andriamanitra sy ny fitiavany ahy manokana. Takatro koa ny fahalalana mahafinaritra iray, dia ny fahalalana momba ny fahasoavana, ny hoe tsy afaka ho mendrika ny fitiavan’Andriamanitra isika : tsy misy na inona na inona, amin’izay ataoko, hahatonga an’Andriamanitra ho tia ahy bebe kokoa. Tena vesatra niala tamin’ny soroko tokoa izany.”

Elaïs

„Mitady an’i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy” (Salamo 34:4). „Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra” (Efesiana 2:8).