Alakamisy 27 Oktobra 2022

Tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano ; ary nambarako… koa ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika. Asan’ny Apostoly 20:21

 

Ny lafiny roa amin’ny Filazantsara

Misy lafiny roa ny vaovao mahafaly milaza famonjena :

— andaniny, ny fahamasinan’Andriamanitra, Izay tsy afaka mandefitra amin’ny ota ka tsy maintsy manafay izany,

— ankilany, ny fahasoavan’Andriamanitra, Izay mamela heloka ny olona mibebaka.

Mba ho voavonjy ny tsirairay, dia tsy maintsy miaiky fa mpanota, ary manaiky ny famonjena nanjary azo raisina noho ny sorona nataon’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, teo amin’ny hazofijaliana. Raha manadino ny voalohany amin’ireo lafiny roa ireo, dia tsy mitory ny Filazantsaran’ny Baiboly, fa mianina fotsiny amin’ny fandrotsirotsiana ny olona amina teny mahafinaritra ny sofina. Resahina ny fitiavan’Andriamanitra, ny hamoram-panahiny sy ny famindrampony. Fa raha ny momba ny ota kosa, dia ampitoniana ny olona rehetra amin’ny filazana fa „tsara fanahy aoka izany Andriamanitra, ka hamela heloka…” Izany hafatra mampitony izany dia mampatory ny fieritreretana. Nefa dia mamitaka rehefa tsy miresaka ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny fankahalany fatratra ny ratsy. Filazantsara sandoka izany, manafina ny maha zava-doza ny ota sady manakona ny fahamasinan’Andriamanitra, izay zavamisy toy ny fitiavany.

Ny tena Filazantsara dia manambara amin’ny olona fa mpanota izy, very, ary mendrika ny fanamelohan’Andriamanitra. Ny avonavon’ny olona dia manakana azy tsy hanaiky izany toejavatra izany, izay mahatonga alahelo sy fibebahana ho famonjena aloha (2 Korintiana 7:10), fa tsy mba fifaliana, rehefa raisina ao amin’ny fieritreretana sy ao am-po. Nefa Andriamanitra dia fitiavana, ary tena vaovao mahafaly tokoa ny Filazantsara, satria manazava amintsika fa noraisin’i Jesosy ho an’ny tenany ireo fahotantsika, ary nozakainy ny famaizana izany. Dia am-pifaliana lehibe no ahafahan’ny mpino milaza hoe : „Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20).