Zoma 28 Oktobra 2022
Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika… nahafoana ny herin’ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay. 2 Timoty 1:10
Fa isika izay amin’izao lay (vatana) izao dia misento noho ny mahavesatra antsika, satria… tiantsika… ny mba hotafina… mba hatelin’ny fiainana ny mety maty. 2 Korintiana 5:4
Fotoana farany
Sarotsarotra ny fisefoany, na dia eo aza ny fitaovana fanampiana ho amin’izany. Fantatra amin’ny tavany mihamahia sy hatsatra, fa akaiky ny farany. Tsitapitapitrizay dia nosokafany moramora ny molony, ary bitsibitsika zara raha henon’ireo zanany mijoro eo anilany no nanononany vavaka moramora : „Andriamanitro sy Raiko ô… Hitanao ny fahosako tanteraka… Misaotra Anao aho, ry Ray tsara fo… Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy. Amena”. Izany no teniny farany. Ora vitsivitsy taorianan’izany, ny fanahin’io kristiana io dia niakatra tam-piadanana any an-danitra, any an-tranon’ireo izay nametraka ny fitokiany amin’i Jesosy Mpamonjy. Nanjary fatin’olona ny vatany, izay miandry ny fiverenan’ny Tompo, mba hatsangan-ko velona indray ka hikambana amin’ny fanahiny, efa ao amin’ny fitsaharana nomen’i Jesosy.
Tsy tsara kokoa noho ny hafa io lehilahy io, nefa nahatakatra fa fandalovana ihany ny fiainana etỳ an-tany, ary isika dia mety maty. Nandray an’i Jesosy ho Mpamonjiny izy. Ny andro lava niainany, feno toejavatra mahafaly na sarotra, nolalovany tao anaty fatokiana be ny Tompony, dia fiomanana fotsiny ihany ho amin’io hoavy mandrakizay ao an-tranon’ny Ray io. Imbetsaka izy no naneho ny finoany sy ny fiadanam-pony tamin’ny fihirana tononkira toy ity :
Hankany amin’ny Raiko aho, ary ny lalako — Dia Jesosy Kristy.
Ho an’ny tany sy ny lanitra, ny fiainako — Dia Jesosy Kristy.
Veloma tsy ho ela, ry zavatra mety maty !
Hisidina lavitra anareo aho,
Hankany amin’ny fonenana mandrakizay — Any amin’i Jesosy Kristy.
Isika tsirairay ve mba afaka maneho fahazoana antoka toy izany ? Ny finoana an’i Jesosy Kristy no manome izany faharesen-dahatra izany.