Asabotsy 29 Oktobra 2022
Ny vovoka dia hiverina amin’ny tany… fa ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny. Mpitoriteny 12:7
(Hoy Jesosy :) Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino [Ahy] no manana fiainana mandrakizay. Jaona 6:47
Satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo. Jaona 14:19
Ny olombelona tsirairay, na ekeny na tsy ekeny, dia miasa saina momba ny any ankoatra. Inona no hitranga amiko aorianan’ny fahafatesako ? Tsy tokony hihodivirana izany fanontaniana izany.
Koa inona àry izany no hitranga, aorianan’ny fahafatesana ? Resahin’ny Baiboly antsika ao amina fanoharana iray ny amin’izany (Lioka 16:19-31). Ny maty dia na hiaraka amin’i Jesosy, raha nino Azy, na ho lavitra Azy, raha tsy nino nandritra ny fiainany. Tsy misy na inona na inona, na vavaka aza, afaka manova ny toeran’izay maty. Any ankoatra izy, ary tsy manana fifandraisana aminy intsony isika, na izy amintsika.
Manana vatana isika, nefa manana fanahy koa. Ny vatantsika no ampahany azo tsapain-tanana amin’ny maha isika antsika, ary ny fanahintsika no ampahany tsy azo tsapain-tanana. Nefa ny fahafatesan’ny vatantsika dia teboka andalovana, savily eo anelanelan’ny fiainana an-tany sy ilay fiainana hafa.
Mandritra ny fiainantsika eto an-tany, Andriamanitra dia mangataka amintsika mba handray ny famonjena atolony, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ho an’ny olombelona rehetra. Tsy manery an’iza na iza Izy, nefa manasa antsika hanao izany safidy izany. Tamin’ny fotoana nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, dia nisy jiolahy iray teo anilany, izay niaiky, talohan’ny nahafatesany, fa Jesosy dia Ilay Zanak’Andriamanitra. Tam-pinoana no nangatahany taminy hoe : „Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao”. Inona no navalin’i Jesosy azy ? „Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:42, 43). Tsy nilaza Izy hoe : „Amin’ny fitsanganan’ny maty, na amin’ny fitsarana farany”, fa „anio”. Rehefa hanakimpy farany ny masontsika isika eto, dia hanokatra izany eo no ho eo ho amin’ny any ankoatra. Ankoatra aiza moa… eo anilan’i Jesosy, sa lavitra Azy ?