Alahady 30 Oktobra 2022

Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Hebreo 13:8

Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. Jakoba 4:14

 

Lasana ny fotoana

Miova ny zavatra rehetra, mandalo ny zavatra rehetra ; isika ihany koa dia mandalo, „Indrisy ! Tsy mamela marika mihoatra noho Ny an’ity sambokely isosantsika ity, Eto amin’izao ranomasina mamafa ny zavatra rehetra izao”.

Io tononkalon’i Lamartine io dia mampahatsiahy antsika fa mandalo ihany isika eto an-tany. Hoy i Davida mpanjaka : „Tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana” (1 Tantara 29:15). Taomina isika handinika ny fomba andaniantsika ny fotoanantsika, ary ny antom-pahavelomantsika.

Ny Baiboly, miresaka amintsika momba io fotoana tsy azontsika hazonina io, dia mampahatsiaro koa ny tantarana olona lehibe iray teto amin’izao tontolo izao : „Tabataba foana Farao, mpanjakan’i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy” (Jeremia 46:17). Efa nampitandreman’Andriamanitra matetika izy, nefa tsy nety nihaino mihitsy. Dia tonga ny andro maha diso aoriana loatra ny hihavanany amin’Andriamanitra. Navelan’ny Farao handalo fotsiny ny fotoana nomen’Andriamanitra azy mba hitodihany aminy. Raha zohina, dia tabataban-javatra fotsiny ny fiainany. Misy zavatra mihelina sy tsy azo tsapain-tanana kokoa noho izany ve ? Na dia mbola resahin’ny tantara aza ny fahalehibeazan’ireo Farao tany Egypta, amin’Andriamanitra dia very ny ainy.

Inona no ho tafajanona ny amin’ny fiainako ? Tsy misy, afa-tsy ny andraikitro eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fitsarany, raha tsy nandray an’i Jesosy ho Mpamonjiko aho. Anio aho dia mbola afaka mitodika amin’Andriamanitra, mino an’i Jesosy nanolotra ny tenany hamonjy ahy, ary mandray ny fiainana mandrakizay. Koa dieny izao aho dia afaka manana fifandraisana mahasambatra amin’Andriamanitra sy fiainana mahasoa ho Azy. Aza avela handalo fotsiny ny fotoana !