Alatsinainy 31 Oktobra 2022
Fa ny olona kosa maty ka miampatra… Mandry izy ka tsy hitsangana intsony. Joba 14:10, 12
… mba handringanany (handringanan’i Jesosy) amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana… ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana, noho ny tahotra ny fahafatesana. Hebreo 2:14, 15
Eo am-pialana aina ity namantsika. Nahalala ny atao hoe aretina izy, niaritra fangirifiriana ara-nofo, fijaliana ara-panahy ao amin’ny olona mahatsapa fa handao ny havany. Nihena hatrany ny heriny sy ny fahafahany manao zavatra, volana maro no niadiany tamin’ny aretina, nanantenany ho sitrana, nivavahany… ary taorianan’izany dia maty izy. Tsy nanasitrana azy Ilay Andriamanitra notompoiny, satria nihevitra hoe tsara ny hakany azy.
Ny Baiboly dia tsy mba mitaona an’iza na iza hihevitra ny fahafatesana ho zavatra maivamaivana. Miresaka ny fahafatesana ho tombon-dahiny ny apostoly Paoly, nefa milaza ihany koa fa nangoraka ny namany iray Andriamanitra ka nanasitrana azy (Filipiana 2:27). Ny fahafatesana dia mitoetra ho dingana manetriketrika, vokatry ny tsy fankatoavan’ny olona an’Andriamanitra, ka tsy misy afa-miala aminy.
Na izany aza anefa, dia nangataka ny evanjelista Billy Graham mba tsy hasiana alahelo amin’ny andro handevenana azy. Faniriana ve izany hampino fa tsinontsinona ny fahafatesana ? ka tsy tokony hampatahotra ireo mbola velona ? Tsia ! Fantany fa ny fahafatesana tokoa mantsy no fahavalo faran’izay lozantany, ho an’ny olombelona ; nefa indrindra koa, fahavalo efa resy izy io, ka tsy tokony hampisy alahelo ao anatintsika. Azony antoka fa Jesosy Kristy dia efa nampihavana antsika amin’Andriamanitra, tamin’ny sorona nataony, ary efa nanefa ny saran’izay rehetra tsy fankatoavantsika an’Andriamanitra sy ny tsy firaharahantsika Azy. Fantatr’i Billy Graham fa ny fahafatesana ara-batana dia tsy manao afa-tsy manokatra fotsiny ihany ny varavaran’ny lanitra ho an’ny mpino.
Izany koa no fahazoako antoka, satria hoy Jesosy : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” (Jaona 11:25). Ianao koa ve mba manana izany antoka izany ?