Talata 1 Novambra 2022
Abrahama… na dia efa tsy nisy nanantenana aza… tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra… natoky indrindra fa izay nolazainy (nolazain’Andriamanitra) dia hainy hatao koa. Romana 4:16-21
— Andriamanitra dia nampanantena taranaka maro an’i Abrahama. Nefa 25 taona taorianan’izany dia mbola tsy nanan-janaka ihany i Abrahama sy Saraha. Efa 90 taona i Saraha, ary 100 taona izao i Abrahama. Nanadino ny fampanantenany ve Andriamanitra ? Nijoro mafy tamin’ny finoany i Abrahama, nino an’Andriamaniny izy, na inona na inona nitranga ; nanantena izy, na dia tsy nisy nantenaina intsony aza. Ary nony farany dia nomen’Andriamanitra zanaka lahy i Abrahama sy Saraha, dia Isaka, loharano nipoiran’ny Israelita rehetra.
— Jairo dia tonga nitady an’i Jesosy, satria efa ho faty ny zanany vavy. Nefa mbola teny an-dalana Jesosy, no nisy nampilaza tamin’i Jairo fa maty ny zanany vavy ; ka tsy ilaina intsony ny manahirana an’i Jesosy, efa very ny fanantenana rehetra. Nefa nampahery avy hatrany ilay ray feno alahelo Jesosy : „Aza matahotra, minoa fotsiny ihany” (Marka 5:36). Dia natsangany ho velona indray ilay zaza, ka natolony ny ray aman-dreniny.
Ry sakaiza, heverinao ho toa mampamoy fo toy ny an’i Abrahama na i Jairo ve ny toejavatra miseho eo aminao ? Mivavaka hatry ny ela tam-pinoana ve ianao, nefa tsy mahazo valiny ? Toa vao mainka miharatsy aza ve ny fahitanao ny toejavatra, ary levona ny rehetra mety ho fanantenana ? Tsarovy i Abrahama sy ny fatokiany an’Andriamaniny, hevero ny teny navalin’i Jesosy an’i Jairo. Mpivady efa antitra loatra ka tsy afaka hanan-janaka, zazavavy efa maty eo am-parafarany… tsy mampiseho mazava ve Andriamanitra fa miditra an-tsehatra am-pahendrena, nefa isika mahatsapa fa tapi-dalan-kaleha ? Aoka isika tsy hanary toky, fa hiantehitra mafy, am-pinoana sy am-patokiana, amin’ireo fampanantenan’ny Tenin’Andriamanitra.