Alarobia 2 Novambra 2022
… ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra. Hosea 5:15
Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an’efitra, ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy. Hosea 2:16
Talen’orinasa lehibe iray izy, niaina tao anaty fiadanana, tsara laza ; koa nihevitra fa tsy mila an’Andriamanitra.
Indray andro izy dia voampanga tsy ara-drariny ho lehiben’ilay andian-jiolahy nangalatra entana maro tao amin’ny orinasany. Nogadraina izy, ary nahatsapa ny tenany ho fadiranovana indrindra amin’ny olona. Tsy mba nisy nitsidika azy ny namany, na iray aza, ary tsy teo an-toerana ny mpisolovavany.
Tany am-ponja izy dia naharay alimanaka toy ity am-pelatananao ity. Vao niandoha namaky izany izy, dia nanomboka niasa tao am-pony Jesosy. Indray alina, nisy voafonja kristiana nihira fihirana, ka tsy nieritreritra akory izy, nankeo amin’izy ireo, ary tampoka teo dia mba nihira ihany koa.
Rehefa nihaona tamin’ny mpitsara ilay voafonja, dia nanambara taminy ny hetahetany ara-panahy. Ilay mpitsara, izay kristiana, dia nanazava taminy ny hafatry ny Filazantsara : ny fahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany ho velona indray. Niaiky izy fa mpanota, ary nandray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiny. Niaraka tamin’izany koa, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nafahan’ny fitsarana izy.
Raha ny marina, dia Andriamanitra no nanomana ny zavatra rehetra : tsy kisendrasendra ny fihazonana tsy ara-drariny io lehilahy io, na ny naha kristiana ilay mpitsara. Navelan’Andriamanitra ho very laza sy tsy hotohanan’ireo namany izy, mba hahatsapa fa mila an’i Jesosy Kristy. „Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah” (Salamo 34:18).
Hoy ny Baiboly : „Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo” (Hebreo 4:7).