Alakamisy 3 Novambra 2022

Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra… ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. 1 Tesaloniana 4:16, 17

 

Ahoana no fiandry ny Tompo Jesosy

Jesosy Kristy Izy tenany mihitsy no ho tonga haka ny olony ; tsy hankininy amin’iza na iza ny fanaovana izany. Tsy ho etỳ an-tany no hihaonana, fa eny ana habakabaka, rehefa hiantso mahery ny feon’ny arikanjely ary hampahafantatra ny fiaingana ny feon’ny trompetran’Andriamanitra. Ireo maty nino an’i Kristy no hitsangana amin’izay fotoana izay, dia hakarina miaraka amin’ireo mpino mbola velona, hitsena ny Tompo, ka hahita tava Azy. Tsy misy daty na ora voalaza, ary izany dia mba hampirisihana antsika hiandry ny Tompo amin’ny fotoana rehetra.

Ny fiandrasana ny Tompo dia manasaraka ny kristiana amin’izao tontolo izao, ary mampisy ao aminy mariky ny toetran’ny lanitra, izay fonenany. Tokony ho vonona mandrakariva izy handeha. Izay ataony, izay teneniny, dia tokony ho azon’Ilay Mpampianatra ankasitrahina rehefa hiverina Izy : miasa am-pitandremana, tsy mamela trosa, mihavana amin’ny olona rehetra… Izany fanantenana izany no manosika antsika hiaina mikatsaka ny fahamasinana : satria „izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy” (1 Jaona 3:3).

Ny fiandrasana ny Tompo dia mampionona ny kristiana rehefa misy mandalo fahafatesana ny havany ; hampaherezin’izany fiandrasana izany koa izy raha ao anaty aretina, fanenjehana, fitsapana isan-karazany.

Ny fiandrasana ny Tompo dia mandrisika ny kristiana hampitandrina ireo rehetra tsy manana fahazoana antoka fa voavonjy, dieny tsy mbola diso aoriana.

Izany no tanjon’izao hafatra izao : hanambara fa resy lahatra izahay ny amin’ny hiverin’i Jesosy, ary hanasa anao hiara-miandry Azy aminay.