Zoma 4 Novambra 2022
(Hoy Jesosy :) Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. Jaona 6:63
Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Jaona 6:68
„Maro loatra ny hevitra mifamoivoy eto amin’izao tontolo izao, ny antokom-pivavahana, ny adihevitra mafana… Aiza ny marina ?”
— Eny, aiza no hahitana fototra mafy ho an’ny fisainantsika ? Ny finoana kristiana dia miorina amina trangan-javatra tena misy. Tsy afaka hailika amin’izao fotsiny ireo, ka tsy hodinihina. Mpahay tantara sy mpahay vakoka maro no mijoro ho vavolombelon’izany. Nefa misy loharanon-kery iray azon’ny olona rehetra anovozana, dia ny famakiana ny Baiboly amin’ny fo mahitsy, tsy an-kametraka hevitra mialoha. Ambonin’izany, izay maniry an-kitsimpo hahafantatra ny marina sy hanaraka izay ampianariny dia afaka mitalaho amin’Andriamanitra mba haneho ny tenany aminy, amin’ny alalan’ny Teniny : tsy ho diso fanantenana izy.
Ianao ve androany te hahalala marina raha niteny Andriamanitra, ary tena hanatanteraka izay angatahiny aminao, raha mahafantatra izany ? Raha izany, dia sahia mihaino izay lazain’Andriamanitra anao amin’ny alalan’ny Baiboly, ary manatsoaha fehin-kevitra avy amin’izany. Dia ho feno fiadanana ianao.
Fandre koa ny hoe : „Fantatro fa boky miavaka tanteraka ny Baiboly, mendrika ny hinoana, saingy atahorako Ilay Andriamanitra lehibe ambarany.”
— Eny, lehibe Andriamanitra, nefa noho ny fitiavany, dia naneho ny tenany Izy, tao amin’i Jesosy Kristy, Izay Andriamanitra tonga olona. Tsy misy olona afaka manatona an’Andriamanitra amin’ny ezaka ataony manokana, nefa ny olona tsirairay dia omen’i Jesosy fomba tena tsotra mba hamerenana indray ny fifandraisantsika aminy, izay tapaka satria tsy nanoa isika. Ampy ny mino Azy. Dia omen’Andriamanitra fiainana be dia be sy maharitra mandrakizay isika. Hisy hilaza fa tsy mora izany, satria tsy maintsy miaiky ny tena fa tsy afaka ho tafavoaka samirery. Nefa hain’ny olona rehetra raisina io fomba io, ary io no hany fomba hahazoana famonjena. Te ho voavonjy ve ianao ?