Asabotsy 5 Novambra 2022

(Jehovah) Izay mitana ny ain’ny zavamananaina rehetra sy ny fofonain’ny olombelona rehetra… Joba 12:10

Eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko ; fa efa nanavotra ahy Ianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana. Salamo 31:5

 

Ny tanan’Andriamanitra (1)

Andinin-tSoratra Masina maromaro ao amin’ny Baiboly no hitantsika miresaka momba „ny tanan’Andriamanitra”, na „ny feony”, na „ny endriny”. Nefa Andriamanitra dia tsy manana vatana, satria „Andriamanitra dia fanahy” (Jaona 4:24). Amin’ny alalan’ireo sary ireo Izy dia te ho haintsika takarina, ka nanambara ny tenany araka ny toetra maha olombelona antsika. Manasa anao izahay, ao amina takila vitsivitsy, hijery izay tian’Andriamanitra hampianarina antsika amin’ny alalan’ireo sary ireo.

Ny tanana dia fitaovana anatanterahana asa. Andriamanitra dia fanahy, nefa azo tsapain-tanana ny asany. Namorona izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy Izy, anisan’izany ny olombelona. Ary nanomboka teo Izy dia tsy mitsahatra miditra an-tsehatra amin’ny fomba mivaingana, eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny maha Mpahary Azy, dia tsy misy na inona na inona tsy voafehiny ; ary miasa Izy. Ny andinin-tSoratra Masina etsy ambony dia manipika fa mihazona ny fiainantsika eo an-tanany Izy.

Ny tanana dia kisarisarin’ny filaminana ihany koa. Rehefa lazaina fa eo am-pelatanan’olona tsara ny olona iray, dia midika izany fa mahay miandraikitra azy io olona io sady azo itokisana.

Ny fatokiana no valiny avy amin’ny mpino. Afaka niteny i Davida hoe : „Eo an-tànanao ny androko… Eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko” (Salamo 31:15, 5). Rehefa manankina zava-tsarobidy eo am-pelatanana namana iray isika, dia mariky ny fatokiana azy izany. Davida dia nametraka tamin’Andriamanitra zavatra manan-danja lavitra kokoa noho izany, nankininy taminy ny ainy, ny fisainany, ny fisiany manontolo.

Izany fatokisana izany dia namirapiratra tamin’ny fomba mahagaga tao amin’i Jesosy, fony Izy tetỳ an-tany. Ary teo amin’ny hazofijaliana, talohan’ny hahafatesany, dia hoy Izy : „Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko” (Lioka 23:46).

(hitohy isan-kerinandro ao anatin’ny herinandro 6)