Alahady 6 Novambra 2022
Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika… nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra. Efesiana 1:3
Ny kristiana sasany dia mihevitra fa raha mitoky amin’Andriamanitra izy, dia tsy hanan-java-manahirana intsony, eo amin’ny lafiny ara-materialy (fahasalamana, asa, trano fonenana, sns.).
Manodoka izany fihevitra izany, ary fahadisoana goavana. Marina fa mikarakara ny zanany Andriamanitra eo amin’ny fiainany andavanandro, ary mitaona azy ireo hiantehitra aminy amin’ny zavatra rehetra. Ho an’ny vahoaka Israely, ny fitahian’Andriamanitra dia miseho eo amin’ny lafiny ara-materialy : „Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah, amin’ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon’ny tànanao” (Deoteronomia 28:8). Mifanohitra amin’izany kosa, ny kristiana dia mponin’ny lanitra, ka ny fitahiana azy dia ara-panahy sy any an-danitra. Mety marary na mahantra ny kristiana iray, nefa sambatra mieritreritra ireo fitahiana ananany ao amin’i Jesosy Kristy.
Fahadisoana ny miteny hoe mariky ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra ahy ny aretina na ny zava-manahiran-tsaina avelany hiseho eo amin’ny fiainako andavanandro. Mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Testamenta Vaovao izany.
Ny apostoly Paoly dia niaritra ny hatsiaka, ny hanoanana, ny tranomaizina, ary zava-tsarotra marobe hafa koa (2 Korintiana 11:23-27). Nefa tsy notahin’Andriamanitra manokana ve izy ?
Tsy hoe satria isika tra-doza tampoka, na fahavoazana ara-pahasalamana, na fahasahiranana ara-bola, dia midika izany fa notsoahin’Andriamanitra tamintsika ny fitahiany ! Mifanohitra amin’izany aza, fa Izy dia te hisarika antsika hanatona Azy bebe kokoa ary te hanasoa antsika, ao anatin’izay rehetra manjo antsika. Marina fa indraindray Izy dia mety hampitandrina antsika ihany koa ary hanintona ny saintsika amin’ny alalana toejavatra ratsy ; nefa na oviana na oviana Izy tsy hanaisotra amintsika zanany ny fitahiany antsika „ao amin’i Kristy” !