Alatsinainy 7 Novambra 2022

Efa niamboho Ahy izy, ka tsy nanatrika Ahy ; nefa amin’ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy : Mitsangàna, ka vonjeo izahay. Jeremia 2:27

Hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika ? Hebreo 2:3

 

Ny fotoana mety

„Mba ho voavonjy, dia tsy ampy ny miteny hoe : „Andriamanitro ô !” rehefa mianjera avy eny amina tohatra”, hoy ity kristiana iray tamin’ilay mpiara-monina aminy, izay tsy mino. Maro mantsy ny miantso amim-pomba tsy voahevitra an’Andriamanitra hamonjy azy, rehefa matahotra, ary manadino Azy raha vantany vao dify ilay loza ! Any amin’ny ady atrehin’ny miaramila, any anaty fiaramanidina na sambo tandindomin-doza, any anaty loza sy fahavoazana isan-karazany, firifiry moa ireo antso toy izany, na mangina na atao teny na hiakiaka ? Saingy tena misy finoana tokoa ve ao anatin’ireny ? Andriamanitra no mahalala. Matetika Izy dia ho afaka miteny hoe : Niamboho Ahy ianao, ka ankehitriny ve miangavy Ahy hanampy anao ?

Raha ao anatin’izany toejavatra izany ianao, dia mba tiako ny hitaona anao hitodika amin’Andriamanitra, hivavaka aminy am-pahatsorana sy an-kitsimpo. Hoy ny Baiboly : „Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana ; indro, ankehitriny no andro famonjena” (2 Korintiana 6:2). Nefa tsy haharitra mandrakizay tsy akory ny „andro famonjena” ! Ankehitriny Andriamanitra no manatsotra ny tanam-pahasoavany aminao, nefa mijanona ho Ilay Andriamanitra masina Izy. Eo anatrehany dia tsy misy na iza na iza afaka hahita fialan-tsiny na hanamarin-tena noho ny nandavany tsy hino. Mety ho tonga ny fotoana tsy hahafahanao mitodika aminy intsony, satria efa tapitra ny vanimpotoan’ny fahasoavana, na koa efa ho nanamafy ny fieritreretanao ianao ! Koa anio izany no tokony hino, tokony hivavaka aminy, hiteny aminy hoe : „Manatona Anao aho, amin’izao maha izaho ahy izao”. Aza atao tsinontsinona ny antson’Andriamanitra, manolotra ho anao ny famonjena. „Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy” (Isaia 55:6).