Talata 8 Novambra 2022

Miantombena tsara miandry an’i Jehovah ianao, ka manantenà Azy. Salamo 37:7

Ankino amin’i Jehovah ny asanao, dia ho lavorary izay kasainao. Ohabolana 16:3

 

Manaiky iharan-javatra fotsiny sa tompon’andraikitra ?

Ny „finoana fotsiny ny lahatra”, hoy ny rakibolana, dia mahatonga hihevitra fa ny zavatra rehetra dia efa voasoritra mialoha, tsy azo ovaina, avy amina antony tokana sy mihoatra noho ny voajanahary. Ny olona manaiky fotsiny ny lahatra dia mandresy lahatra ny tenany fa ny antsipiriany rehetra eo amin’ny fiainany dia anjara efa voatendry mialoha, ka tsy misy azony ovaina ; noho izany izy dia manaiky fotsiny iharan’izay rehetra manjo azy. Izany dia mahatonga fiteny toy ny hoe : „Raha te hamonjy ahy Andriamanitra, dia ho voavonjy foana aho, na amin’ny fomba ahoana na na amin’ny fomba ahoana”.

Andalan-tSoratra maro ao amin’ny Baiboly no manasongadina ny maha masi-mandidy an’Andriamanitra. Ohatra : „Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ny Tompo ?” (Fitomaniana 3:37). Izany anefa dia tsy manala na inona na inona amin’ny andraikitsika. Tsy miaritra fotsiny ny sitrapon’Andriamanitra ny kristiana, ka mikolokolo fifandraisana velona sy miasa aminy, amin’ny alalan’ny finoana.

Andriamanitra dia mihaino ny zanany mahatsiaro ho sambatra mivavaka sy mitoky aminy. „Hanefa ny irin’izay matahotra Azy” Andriamanitra (Salamo 145:19). Mamaly ny fanontaniantsika amin’ny Teniny Izy. Ampiany koa isika, amin’ny fomba azo tsapain-tanana, ao amin’ireo toejavatra rehetra andalovantsika. Ny fiainan’ny mpino dia fifanakalozana tsy tapaka amin’Andriamanitra Rainy. Mahafantatra tanteraka izay ilaintsika ny Raintsika, ary faly koa mamaly izany, arakaraka izay andrasantsika, sy mba hahasoa antsika.

Etsy andaniny koa, ny Ray, Ilay Andriamanitra fitiavana, dia mitaiza ny zanany ary mamela hisy fitsapana mitranga amin’izy ireo, izay mahafantatra fa tena te hanasoa azy ireo Izy (Hebreo 12:11). Koa matoky Azy izy ireo, sy misaotra Azy noho ny hatsarampony.