Alarobia 9 Novambra 2022

Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filana sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala. Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia… araka ny famindrampo… no namonjeny antsika. Titosy 3:3-5

 

Ilay mpitsara sy ilay voaheloka

Mpanolo-tsaina taloha tao amin’ny fitondran’ny filoha Nixon i Charles Colson (1931-2012), voarohirohy tao amin’ny raharaha Watergate ka nigadra nandritra ny volana maro. Nanjary kristiana izy, ary nanokan-tena hitory ny Filazantsara tany amin’ireo fonja amerikana.

Tao amin’ny fikambanany antsoina hoe „Sakaizan’ny fonja” dia matetika misy mpitsidika an-tsitrapo miaraka aminy, mba hampahafantatra ny Filazantsara amin’ireo voafonja. Taoriana-na famangiana iray, tamin’ny fotoana nandalovana ny fisavana eo amin’ny fivoahana, dia hitan’i Colson fa tsy nanaraka ny andiany ny mpitsidika iray, dia ny mpitsara Clément. Tezitra izy, niverin-dalana ka nahita azy tao amin’ny efitrakely nitanana an’i James Brewer.

„Iray minitra fotsiny, hoy i Clément tamin’i Colson. Zava-dehibe izao. Hitanao ? izaho no nanameloka an’i James ho amin’ny sazy mafy indrindra. Nefa ankehitriny izy dia rahalahiko, ary mila iray minitra izahay hiarahanay mivavaka.”

„Ankona aho teo amin’ny varavaran’ilay efitranokely”, hoy i Colson nitantara. „Lehilahy roa no teo anoloako : ny iray nanana ny fahefana, ny iray tsy nanana, na dia kely aza ; ny iray fotsy hoditra, ny iray mainty hoditra ; ilay voalohany nanameloka ilay faharoa.

Na taiza na taiza ivelan’ny fanjakan’Andriamanitra, io voafonja io dia ho vonona hamely ilay nanadoboka azy any am-ponja. Nefa teto dia niray hevitra izy ireo, ary nitaratra teny amin’ny tarehiny ny fahasambarana mahagaga tamin’izy ireo niara-nivavaka.

Rehefa nivoaka ny fonja ny mpitsara Clément, tena nihetsi-po, dia nanazava tamiko fa nivavaka isanandro ho an’i Brewer izy, hatramin’izay efa-taona nanamelohany azy izay.”