Alakamisy 10 Novambra 2022
Aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo. Nomery 32:23
Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko… Ary Ianao dia namela ny heloky ny fahotako. Salamo 32:5
Roa taona lasa izay, vaovao maro no nampitain’ny haino aman-jery momba ny fitsarana lehilahy iray voampanga ho nanao heloka bevava mahatsiravina. Efa roapolo taona tany ho any no nitrangan’ny raharaha, saingy fito ambinifolo taona tatỳ aoriana vao voaporofona fisedrana ADN fa meloka tokoa ilay olona nahiahiana. Afaka niala ny fitsarana nandritra ny fotoana ela izy, nefa „nanody azy ny fahotany”. Tsy vao izay no nahitana olo-meloka tsy tratra raha tsy efa nokarohina am-polotaonany maro. Marina fa misy koa raharaha maro tsy nety ho voalamina mihitsy, ary olo-meloka maro no afaka niala ny fitsaran’olombelona nandritra ny fiainany manontolo.
Nefa tsy hisy olona ho afaka miala amin’ny fitsaran’Andriamanitra. Halan’Andriamanitra ny ratsy, izay tsy tombanany rahateo araka ny fijerintsika. Ny fahotana rehetra dia faniratsirana Azy, ka mendrika ny famaizany. Mahita ny zavatra rehetra Izy, mahare ny zavatra rehetra, mitadidy ny zavatra rehetra. Ary mbola hasehony miharihary ireo, indray andro any. Voasoratra any amin’ny faramparan’ny Baiboly ny hoe : „Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana ; ary novelarina ny boky ; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany… Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny ; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita namoaka ny maty tao aminy ; dia samy notsaraina araka ny asany izy… Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy” (Apokalypsy 20:12-15).
Aza odianao tsy hita ny zavamisy ! Afaka ho voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anaranao anio, raha ekenao ny handray ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra noho ny fahadisoanao.