Zoma 11 Novambra 2022

Kanefa misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ny olona izany. Joba 33:14

(Hoy Jesosy :) Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Jaona 10:27

 

Inona no rentsika ?

Izay tiantsika ho heno ihany no henontsika tsara.

Ny rentsika dia arakaraka izay tiantsika. Raha toa ny mpahay mozika mahare feom-boronkely eo anivona tabataba eny an-dalambe, dia satria misy akony ao anatiny io feo io. Efa zatra ny sofiny, ka tsy mila ezaka akory izy dia efa mihaino tsara izany.

Misy tabataba sasantsasany rentsika, fa tsy tabataba hafa, arakaraka izay mahaliana antsika na izay manelingelina antsika. Mifidifidy isika, na dia tsy tsapantsika aza izany. Misy feo tiantsika, fantatsika ao anatin’ny feo an’arivony ! Rentsika izy io, satria tiantsika ! Ary tsy rentsika ny tabataba sasany, satria tsy mahaliana antsika. Ny tabataba reko sy ireo ataoko ho toy ny tsy misy dia maneho ny maha izaho ahy…

Koa inona àry izany no feo mahaliana ahy, ka reko tsy ilako ezaka ? Ireo izay mahakasika ny tombontsoako ara-materialy ihany ve, sa koa ireo momba ny hoaviko mandrakizay ? Izaho ve mihaino tsara izay lazain’Andriamanitra ahy ao amin’ny Baiboly, izay itenenany amiko ? Resahiny ahy ny momba ny hoaviko : Izy dia manolotra ho ahy ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy !

Raha toa aho efa manana an’i Jesosy ho Mpamonjiko, ho Ilay Mpiandry tsara, haiko ve ny manavaka ny feony ao anatin’ny feo hafa rehetra reko ? Mihaino tsara izany ve aho, ka mampihatra izany eo amin’ny fiainako andavanandro ? Io feo io dia mety ho reko eo amina trangan-javatra miseho amiko, ao amina teny henoko… Ary indrindra, hitako izany amin’ny famakiana ny Baiboly, ilay boky te ho „fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako” (Salamo 119:105).