Asabotsy 12 Novambra 2022
Ny feon’i Jehovah no eny ambonin’ny rano be… Ny feon’i Jehovah be hery ; ny feon’i Jehovah be voninahitra… Ny feon’i Jehovah manorotoro ny hazo sedera… Ny feon’i Jehovah mampihorohoro ny efitra… Ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe : Voninahitra e ! Salamo 29:3-9
Ny Salamo 29 dia antsoina indraindray hoe salamon’ireo feo fito, satria impito no resahina ao ny feon’Andriamanitra miteny ao anaty kotrokorana, varatra, ary hatramin’ny zava-miafin’ny fahaterahana sy… ny fihintsan’ny ravina. Hery toy inona moa ny an’io feo io !
Fa io feo io dia afaka ho „malefaka, malemy” koa, fony Andriamanitra niresaka tamin’i Elia mpaminany, mba hampahery sy hitari-dalana azy (1 Mpanjaka 19:12).
Eny, miteny amintsika Andriamanitra, na amin’ny fomba mahery na amin’ny fomba malefaka. Niteny tamina fomba tena miavaka Izy, mba hanehoany ny hasarobidin’i Jesosy ho Azy : „Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona, nanao hoe : Ity no Zanako voafidiko ; Izy no henoy” (Lioka 9:35) ; na koa : „Dia nisy feo avy tany an-danitra, nanao hoe : Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray” (Jaona 12:28).
Izany feon’Andriamanitra izany dia mahery mba hanova ny fiainantsika, hanapotika ireo fanoherantsika. Ampiasainy ho an’ireo izay miantehitra aminy io hery mamirapiratra aoka izany eo amin’ny voary io. Ny feony dia malefaka sy mahasoa ihany koa, mba hampionona sy hampianatra antsika. Amin’ny alalany no ahatsapantsika ny halehiben’Andriamanitra sy ny fitiavany.
Ndao hianatra hamantatra ny feon’Andriamanitra, eo amin’ny tantaram-piainantsika, ao amin’ny tafiotra sy ny haintany mihatra amintsika, mba hitokiantsika bebe kokoa amin’ireo fampanantenany, sy hiondrehantsika am-pankasitrahana sy am-piankohofana eo anatrehany. Isika ve mba miravoravo handre tsy ho ela intsony ny feon’Ilay Zanak’Andriamanitra ? Hanakoako avy any an-danitra io feo io, mba hanangona ireo rehetra navotany, na ny maty na ny velona, sy hitondra azy ireo ho ao an-tranon’ny Rainy (1 Tesaloniana 4:16).