Alahady 13 Novambra 2022

Namaly Jesosy ka nanao hoe : Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany, ka nasehonao tamin’ny zaza madinika. Eny, Raiko ; fa izany no sitraponao. Matio 11:25, 26

 

Fanajana sy fifanakaikezam-po

Ao anatin’io vavaka io Jesosy dia miresaka amin’Andriamanitra, Izay antsoiny hoe „Ray”. Jesosy dia Ilay Zanak’Andriamanitra, ny fifandraisany amin’ny Rainy dia am-po lalina. Na izany aza anefa, teo amin’ny toerana maha olombelona noraisiny an-tsitrapo, dia niresaka taminy tam-panajana feno Izy. Hoy Izy : „Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany”.

Ry kristiana, nanjary zanaka malalan’Andriamanitra isika, noho ny finoana an’i Jesosy (Jaona 1:12). Manana fahalalahana isika, rehefa miresaka aminy, hampiasa ilay teny mitory fifanakaikezam-po hoe : „Aba, Ray” (Romana 8:15). Afaka manatona ny Ray isika (Efesiana 2:18) ary afaka mivavaka malalaka aminy, toy ny zaza miresaka amin’ny rainy.

Izany anefa tsy manome lalana antsika hanadino hoe iza moa Ilay iresahantsika. Raha Ilay Zanak’Andriamanitra aza, fony Izy niaina toy ny olombelona tetỳ an-tany, niresaka tamin’Andriamanitra tamina teny feno fanajana toy izany, tsy mainka ve isika zavaboary ?

Marina fa zanak’Andriamanitra isika, nefa ho diso toerana ny firesahantsika aminy toy ny amina namana. Andriamanitra dia any an-danitra, ary isika kosa eto an-tany (Mpitoriteny 5:1).

Ny fanajana dia tsy manaisotra na inona na inona amin’ny fahatsorana sy ny hamamin’ny fifandraisana. Tsy misy very izany hamamiana izany, na dia manome ho an’Ilay Andriamanitsika ny haja tokony ho Azy aza isika. Ary mifanohitra amin’izany aza, fa vao mainka izany hahatonga antsika hahatakatra kokoa ny halehiben’ny haja omena antsika, izay ekena ho akaiky dia akaiky an’Ilay Andriamanitra Avo Indrindra, „Tompon’ny lanitra sy ny tany”.