Alatsinainy 14 Novambra 2022
Andriamanitra marina sady Mpamonjy ; eny, tsy misy afa-tsy Izaho. Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo. Isaia 45:21, 22
Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa. Asan’ny Apostoly 4:12
Niorim-paka ny fanaintainana : miakatra ny hafanana, tsy miato ny kohaka, tsy mety mahazo aina mihitsy ilay marary… Namantatra ny fototr’aretina ny dokotera nohatonina, dia nanome taratasim-panafody. Tsy sitrana tamin’ny fizahana ilay marary, ka tokony hihinana ny fanafody izao, manaraka tsara ny torolalana.
Koa tsy maintsy narahin’ilay marary ny dingana rehetra :
— niaiky fa marary,
— nanatona mpitsabo mahay,
— nanaiky ny filazana ny soritr’aretina nataony,
— nanaraka tsara ny taratasim-panafody.
Tsy maintsy manao dingana mitovy amin’izany, mba ho sitrana ara-panahy. Marary tokoa mantsy ny olona : hatramin’ny nahaterahany izy dia nifindrana „tsimok’aretina” mahery vaika mamely ny fanahiny, ka mitondra ao aminy ny fahafatesana ara-panahy. Io tsimok’aretina io dia ny ota, tsy fahafahana manao ny tsara sy mankatò an’Andriamanitra. Iza no afaka manasitrana io aretina io ? Andriamanitra irery ihany. „Andriamanitra, Mpamonjy antsika… tia ny olona rehetra hovonjena” (1 Timoty 2:3, 4).
— Inona no filazana ny soritr’aretina ? „Samy efa nanota izy rehetra… Fa fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 3:23 ; 6:23).
— Inona no taratasim-panafody ? „Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 6:23). Tamin’ny fahafatesany, Jesosy dia „nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” (1 Timoty 2:6).
— Ahoana no hahasitranana ? Amin’ny alalan’ny finoana, „ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20).
Ny hany fanafody iadiana amin’ny ota, dia ny finoana an’i Jesosy. Raha tsy teo Izy, dia very aho. „Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10:9).