Talata 15 Novambra 2022
Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. Romana 8:28
Na tsapantsika na tsia, dia eo ambany mason’Andriamanitra mandrakariva isika, Ilay Andriamanitra fitiavana, hendry sy tsitoha. Tsy misy tsy hitany. „Eny an-danitra no itsinjovan’i Jehovah ; mijery ny zanak’olombelona rehetra Izy ; eo amin’ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ny tany —dia Izy Mpamorona ny fon’izy rehetra” (Salamo 33:13-15). Ampiasainy ny zavatra rehetra, na ny andro mahafaly na ny fotoan-tsarotra, ary ataony miara-miasa hahasoa ireo zanany. Izany dia manome antsika fatokiana lehibe, ary tsy izay ihany, fa mahatonga antsika ihany koa ho afaka misaotra an’Andriamanitra, na dia tsy takatsika aza ny anton’ny zavatra ataony.
Ao amin’ny boky iray nosoratany, ilay mpanoratra amerikana antsoina hoe A. Pierson dia mamelabelatra ny andinin-tSoratra Masina nomena antsika androany toy izao : „Ny drafitr’Andriamanitra dia tsy manadino na inona na inona. Miara-miasa mba hahasoa antsika ny zavatra rehetra, anisan’izany ny fitsapana, mahatonga antsika tsy hanana faharetana. Ireo tafiotra, izay manambana hanongotra ny fakan’ny hazo, raha ny marina, dia vao mainka mampamaka azy mafimafy sy lalindalina kokoa amin’ny tany. Ireo dona, izay heverina fa hahamora tapaka ny vy, dia vao mainka aza mampihatra aminy karazana fanofanana mampitombo ny hamafiny sy ny herin-tohitra ananany. Ny fialana sasatra an-tery, ohatra rehefa azon’aretina na very asa, dia noharina amina fiatoana ao anaty mozika. Io elanelana eo amina naoty roa io dia tsy fiafaran’ny feonkira tsy akory, fa anisan’ilay feonkira.”
Ry kristiana, raha mahita ny lalana ho ohatra ny manjombona isika, dia aoka tsy hanadino fa tia antsika ny Tompo, ary ny zavatra rehetra —anisan’izany ireo izay tsy dia mahafinaritra loatra- dia miara-miasa hahasoa antsika.