Alarobia 16 Novambra 2022
Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny. Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha ; ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny. Jeremia 17:7, 8
Robert Browning, poeta anglisy tamin’ny taonjato faha-19, dia nanoratra hoe : „Ny fitomboana dia sady porofon’ny aina no zava-takiny”.
Na alevintsika ao anaty tany faran’izay lonaka aza ny vato iray, dia tsy hitombo habe na rahoviana na rahoviana. Ny voa afafy atao toy izany anefa dia hanjary zavamaniry, na hazo mihitsy aza ; mitondra tsimok’aina tsy hita maso mantsy izy. Ny fivelarany sy ny fitomboany dia mampiseho ny fisian’ny aina ao anatiny. Ny fitomboana dia milaza ihany koa fisiana asa mitohy. Ny zaza tsy mitombo intsony dia marary, ka mampiasa saina ny ray aman-dreniny.
Marina ihany koa izany eo amin’ny lafiny ara-panahy. Izaho ve, ao anatiko ao, misy fandrosoana eo amin’ny fahalalana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiavan’i Jesosy ? Hiteny amiko ianao hoe : Tsy maintsy misy „tsimok’aina ara-panahy” ve ao ? Izany tokoa ; ary io tsimok’aina io dia ny finoana ny Tenin’Andriamanitra, izay „velona sy mahery” (Hebreo 4:12). Niasa tao amin’ny foko sy ny fieritreretako ve izy io, mba hamokatra aina ? Izany toejavatra lehibe izany mantsy no iankinan’ny fitomboana ara-panahy rehetra. Taomin’i Jesosy isika handinika ny fomba fitombon’ny lisy eny an-tsaha. Inona no zava-miafina momba azy ireny ? Mitsimoka izy, avy eo mamelana, satria mivelona amin’ny tsiron’aina omen’ny tany.
Dia toy izany koa, rehefa mamaky tsy tapaka ny Baiboly isika, mino izay lazainy antsika sy mampihatra izany, dia manome sakafo ny fanahintsika. Ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka no ahafahantsika mitombo amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy Tompontsika (2 Petera 3:18).