Alakamisy 17 Novambra 2022

Ary vovotany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony ; dia tonga olombelona izy. Genesisy 2:7

 

Ny olombelona

Ny olombelona dia nomen’Andriamanitra faharanitan-tsaina, fahaiza-maminavina, fahaiza-mamorona. Nefa na dia be fahalalana sy mahay siansa aza izy, ary nahita zava-miafina maro momba izao tontolo izao, dia vovoka ihany. Tsio-drivotra kely monja dia afaka mipaoka azy, ary tsy maintsy ho faty izy, indray andro any. Mba tokony hampanetry tena azy izany, sy hahatsapany bebe kokoa ny fetrany.

Lazain’ny Baiboly antsika ihany koa anefa, fa ny olombelona dia natao araka ny endrik’Andriamanitra. Tsy vitan’ny hoe manana saina izy, fa manana ao anatiny koa ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy, sy ny fiheverana ny any an-koatra. Manana fanahy izy, ahafahany mifandray amin’Andriamanitra. Eny, ny olombelona dia sarobidy amin’Ilay Mpahary azy, Izay te hisarika azy sy hamonjy azy amin’ny fitsarana sahaza ny fahotany.

Ianao ve dia ho anisan’ireo izay misalasala momba ny lanja omen’Andriamanitra azy ireo ? Nefa dia nirahiny Jesosy Kristy Zanany mba hamonjy antsika, satria mendrika anaovana ny sorona rehetra ny fitiavany antsika.

Ary ahoana moa isika raha mba manapa-kevitra hino an’Andriamanitra, Izay miteny amintsika ao amin’ny Baiboly, sy hanaiky hihavana aminy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ary hampiasa izay rehetra nomeny antsika mba hanompoana Azy ? Izany dia ho fomba —bitika nefa hahafaly Azy- hanehoantsika aminy ny fankasitrahana Azy, noho ny haben’ny fitiavany antsika.