Zoma 18 Novambra 2022

Ary tsy misy zavatra ary, na inona na inona, izay tsy miseho eo anatrehany ; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’izay iafaran’ny ataontsika. Hebreo 4:13

… hitsaran’Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ny olona, araka ny filazantsarako, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Romana 2:16

 

Tsy misy na inona na inona miafina

Tsy misy amintsika hahazaka hoe afaka mahafantatra tsara izay rehetra ataony, lazainy na eritreretiny ny manodidina azy, na dia mandritra ny andro iray fotsiny aza, eo amin’ny fiainany. Ho henatra toy inona moa, raha haboraka sy haseho masoandro ireo tsiambaratelontsika mahonena indrindra !

Nefa Andriamanitra dia mahafantatra izay rehetra mitranga ao anatintsika sy izay lazaintsika na ataontsika. Ny fijeriny no tokony hanan-danja kokoa amintsika, noho ny fijerin’ireo olona akaiky antsika sy ireo tahaka antsika. Indray andro any mantsy isika dia tsy maintsy hanao tatitra amin’ny antsipiriany rehetra, momba ny fiainana nampindramina antsika.

Izany fahalalana lavorary ananan’Andriamanitra izany dia naha very hevitra ny mpanoratra ny Salamo 139 : „Aiza no hialako amin’ny Fanahinao ? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao ?”

Io fanahiana io anefa dia mety hiova ho fifaliana tsy manam-paharoa. Izany no miseho rehefa mahatsiaro tena ho mpanota ny olona iray, ka manaiky sy miaiky izany an-kitsimpo eo anatrehan’Andriamanitra. Dia mifanara-kevitra amin’Andriamanitra izy, ary mandray ny toerana tandrify azy, izany hoe ny toeran’olo-meloka. Amin’izay Andriamanitra dia afaka maneho ny tenany aminy ho Ilay Andriamanitra fahasoavana sy mamela heloka, Ilay Andriamanitra Mpamonjy.

„Endrey, zavatsoa amiko indrindra ny hevitrao…”, hoy io mpino io ; „Diniho aho… fantaro ny foko ; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro… tariho amin’ny làlana mandrakizay aho” (Salamo 139:17, 23, 24). Manomboka eo izy dia afaka miroso eo amin’ny lalan’ny fiainana, ary miankina amin’ny fanampian’Andriamanitra isaky ny manao dingana iray.