Asabotsy 19 Novambra 2022
Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. Salamo 34:15
Fa ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny, eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. 2 Tantara 16:9
Matetika ny Baiboly dia miresaka ny mason’Andriamanitra na ny fijeriny. Mijery ny olona rehetra am-pitiavana Andriamanitra, satria tia azy rehetra. Jereny manokana ny marina, izany hoe ireo nohamarinina noho ny finoana ny sandan’ny ran’i Jesosy. Ny fijerin’Andriamanitra dia fijery feno fitsimbinana, feno famindrampo. Tahatahaka ny ray tsy mitsahatra manara-maso ny zanany kely. Isika tsy mijery ny Tompo mandrakariva, fa Izy kosa dia tsy mitsahatra ny mijery antsika. „Tsy misy na inona na inona manohana tsara kokoa ny fahari-pontsika, noho ny faharesen-dahatra tanteraka fa mijery antsika Andriamanitra” (Jean Calvin).
Mahamasina sy mampahery antsika ny fahatsapana izany fijery izany.
— Mahamasina : afaka manodoka ny hafa isika, sady mety ho diso hevitra ny amin’ny tenantsika, nefa Andriamanitra dia mahafantatra ny zavatra rehetra momba antsika, na dia izay mba tiantsika hafenina aza, mbamin’izay matroka indrindra… Fantany ireo fahadisoantsika miafina, nefa dia tia antsika Izy. Rehefa mahatsapa ny fitiavany sy ny fahasoavany isika, dia afaka miseho tsy amin-tahotra eo amin’ny fijeriny, mba hiaiky sy handao izay tsy ankasitrahiny.
— Mampahery : na inona na inona zava-tsarotra sy tebiteby iainantsika, dia afaka mahazo antoka isika fa hitan’Andriamanitra ireny, ary afaka matoky fa hiasa Izy mba hanasoa antsika. Rehefa nampahorina ny olony, dia hoy Andriamanitra : „Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta… dia efa nidina Aho izao hamonjy azy” (Eksodosy 3:7, 8).
Ao amin’ireo filazantsara dia nojeren’i Jesosy ny apostoly Petera, rehefa nandà Azy fanintelony (Lioka 22:61). Io fijery feno fitiavana io dia nanampy an’i Petera tsy hamoy fo, taorianan’ny fahadisoany, ary nitarika azy hiverina amin’i Jesosy.