Alahady 20 Novambra 2022
Sambatra izay… manantena an’i Jehovah Andriamaniny, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny… Jehovah mampahiratra ny jamba ; Jehovah mampitraka ny mitanondrika. Salamo 146:5-8
Misy fomba maro itanondrehana, eo amin’ny fiainana. Mety mitanondrika isika noho ny fijaliana, ny tahotra, ny fahamelohana… „Mitanondrika amin’ny tena”, manao ho ivo ny tena, tsy izany ve no toetra mampiavaka antsika matetika ?
Raha mangirifiry isika, mahatsapa io kilema mamerina antsika mandrakariva amin’ny tenantsika io, mamerina antsika amin’ilay „izaho” tia tena, dia ndao hihaino ny tenin’ny salamo hoe : „Ny Tompo mampitraka ny mitanondrika”. Te hanafaka antsika amin’io fironana io Andriamanitra ! Ary izany fanafahana izany dia mandalo amin’ny fihaonana amin’i Jesosy.
Ao amin’ny filazantsarany i Lioka dia mitantara ny nahasitranana vehivavy iray nanjoko tsy nahatraka nandritra ny valo ambin’ny folo taona (Lioka 13:10-13). Angamba isika tsy manana aretina ara-batana, nefa samy mila izany fanasitranana izany avokoa, ao anatintsika ao. Toy ny an’ity vehivavy ity, dia tanteraka izany rehefa mino ny Tompo Jesosy isika. Amin’izay mantsy isika dia ampifandraisina amin’ny fitiavan’Andriamanitra, fitiavana manolotra ny tenany. Jesosy dia nanolotra ny ainy hamonjy antsika, ary maty nisolo toerana antsika.
Dia tonga ny fanafahana, matetika mandeha miandalana, amin’izay rehetra nangeja antsika. Ny ain’i Kristy mihitsy no mamelona antsika. Ny avonavona dia misolo ho fanetrentena, ny fitiavantena ho fahalalahan-tanana, ny fifandrafesana ho fitiavana. Mihoatra noho izany aza : manjary vavolombelona „mitana ny tenin’ny fiainana” isika (Filipiana 2:16). Jesosy dia tonga mba „hahasitrana ny torotoro fo… ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava” (Isaia 61:1). Hafatra mahery izany, mampiseho fahasoavana sy fanasitranana avy any ambony, ary mampisandratra any amin’i Jesosy ny fijerin’ireo mitanondrika amin’ny tenany.