Alatsinainy 21 Novambra 2022

Ary simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra, sady heni-doza. Genesisy 6:11

[Andriamanitra] nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany. Kolosiana 1:13

 

Ny herisetra, ao amin’ny Baiboly

„Rehefa manokatra ireo lahatsoratra tranainy ao amin’ny Baiboly, dia tena matetika no mahita heloka bevava sy zava-mahatsiravina”, hoy ity mpamaky tsy tapaka ny Baiboly, izay hita hoe gaga sy sorena.

Rehefa mihoa-pampana ny haratsiana, dia manapa-kevitra hiditra an-tsehatra Andriamanitra, amina fitsarana toy ny safodrano, ny fanapotehana tanteraka an’i Sodoma sy Gomora…, ny fiafaran’izao tontolo izao rehefa ho levona ny lanitra sy ny tany (2 Petera 3:10). Ny tantaran’ny olombelona dia fizotra lavareny feno herisetra. Nanomboka tamin’ny namonoan’i Kaina an’i Abela rahalahiny izany, ary tafakatra tamin’ny faratampony teo amin’ny hazofijaliana. Teo no nohomboana Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, „Ilay Marina” (1 Jaona 2:1), maty noho ny fankahalan’ny olombelona. Mampanontany tena antsika ireny tantara rehetra ireny, izay itarafana ny haratsin’ny fon-janak’olombelona, satria miverimberina io olana io amin’izao fotoana izao. Marary-na herisetra sy hasiaham-po ary zava-mampihoron-koditra izao tontolo misy antsika izao.

Matoa Andriamanitra mampahatsiahy ny fisian’io fankahalana eo amin’ny samy olona io, matoa tsy afeniny ny maha zavamisy mampalahelo izany, dia satria mitsinjo izay hiafaran’ny olombelona Izy. Ny hahagaga mantsy dia hoe hanakontakona izany mangingina ny Baiboly. Mifanohitra amin’izany aza, fa ny fampahatsahivany io zavamisy io dia mampisongadina ny fitiavana sy famindrampon’Andriamanitra, Izay tsy namotika ny olona nampiditra sy nanatanteraka ny herisetra, fa tonga tamin’ny alalan’i Jesosy, Ilay lehilahy lavorary, mba hanafaka azy amin’ny fanagejan’io herisetra io sy ny loharanony. Jesosy Kristy, Izay nohomboan’ny olona teo amin’ny hazofijaliana, dia nanolotra ny ainy masina ho an’Andriamanitra, ka maty ho an’izay miaiky fa ratsy fo sy mila aina vaovao. Io aina io dia omen’i Jesosy maimaimpoana. „Teo amin’izay nihabeazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra” (Romana 5:20).