Talata 22 Novambra 2022
Ny vehivavy eo amin’ny oloko dia roahinareo. Mika 2:9
Tsy misy intsony… lahy sy vavy ; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Galatiana 3:28
Nisy lehilahy maromaro miseho ho mpivavaka, nitondra teo amin’i Jesosy vehivavy manambady tratra niaraka tamin’ny sakaizany. Nihevitra izy ireo fa hanameloka azy ho faty Jesosy, araka ny lalànan’i Mosesy. Io lalàna io mantsy dia manameloka izay mijangajanga, saingy tsy ny vehivavy ihany, fa ny lehilahy koa (Levitikosy 20:10) ! Ka tokony ho izy roa samy meloka izany no nosamborin’ireo mpitsikera ireo.
Napetrak’i Jesosy nanoloana ny fieritreretany ireo mpiampanga, ary nasehony fa mpanota avokoa izy rehetra. Nampiseho hatsaram-panahy Izy, niteny tamin’io vehivavy io, satria nahita ny tao anaty fony lalina, ka niteny taminy hoe : „Mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony” (Jaona 8:11).
Mandraka ankehitriny dia mbola loza amin’antambo ny herisetra amin’ny vehivavy sy ny fanavakavahana azy ireo. Efa an’arivon-taona maro ny Baiboly no nampiseho fa mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy, eo anatrehan’Andriamanitra, Izay manameloka mafy ny ratsy ataon’ny lehilahy amin’ny vadiny (Malakia 2:14). Tiany amin’ny fitiavana mitovy izy ireo, ary na ny lahy na ny vavy dia samy mila famonjena. Nahagaga ny mpianany Jesosy (Jaona 4:27), satria tsy nanaraka ny fomba nentim-paharazana tamin’izany fotoana izany, hoe tsy tokony hiresaka amin’ny vehivavy ny lehilahy, toy ny hoe tsy mendrika horaharahaina izy ireo.
Imbetsaka Andriamanitra no nanome voninahitra vehivavy namiratra tamin’ny finoany (Rota, Hana, Abigaila…). Ary ny teniny dia mampirisika ny lehilahy hanaja ny vadiny ka hahatsapa fa ny lehilahy sy ny vadiny samy mpino, dia „mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana” (1 Petera 3:7).