Alarobia 23 Novambra 2022

Toy izany no làlan’izay rehetra manadino an’Andriamanitra… Ho tranon-kala ny tokiny. Miankina amin’ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny ; mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny. Joba 8:13-15

Ianao, Jehovah ô, no itokiako… Fa harambatoko… Ianao. Salamo 71:1, 3

 

Ny tranon-kala

Asa maharitra vao mahavita ny tranony ny hala. Mila mandroso sy miverina imbetsaka ! Misahirana izy mampifandray kofehy tsy hita isa, ary tsy mitsitsy ny zavatra ao anatiny, satria izy ihany no mamorona ny kofehy. Ary rehefa vitany mihantona araka izay notadiaviny ilay tranony kararavina, dia indro fa dian-kifafa kely fotsiny dia maharava azy. Matetika aza dia maty ao anatin’ny fako ilay bibikely mampalahelo.

Tsy toy izany koa ve ny asan’ny olombelona ? Misasatra izy mba hanana fari-piainana tsara… sy mba hiala voly amin’ny fomba maro samihafa. Mampiasa ny fahaizany rehetra izy, ary indraindray aza, mandany ny fahasalamany, ka rehefa mihevitra fa nahavita ny asany, dia mahatakatra fa hay tranon-kala ihany ilay nataony.

Solomona, mpanjaka anisan’ny nanankarena indrindra tamin’ny vanimpotoana rehetra, dia nanoratra teo amin’ny faramparan’ny fiainany hoe : „Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano… nanao tanimboly sy saha… nahazo ankizilahy sy ankizivavy… Nihary volafotsy sy volamena koa… Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako… ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany” (Mpitoriteny 2:4-11).

Mari-drefy inona moa no ampiasaintsika, hanombanana izay vitantsika ? Ny lafiny ara-materialy ihany ve no heverintsika ? „Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, nefa very ny ainy ?” (Matio 16:26). Marefo ny fiainantsika, voaisa ny androntsika : ndao hampiasaina mba hanorenana zavatra mafy, miaraka amin’Andriamanitra, ibanjinana ny mandrakizay.