Alakamisy 24 Novambra 2022
Nampaherezin’ny finoana [i Abrahama] ka nanome voninahitra an’Andriamanitra, ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. Romana 4:20, 21
Mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana. Hebreo 10:23
— Ho an’izay mitady fiadanam-po : „Izay rehetra mangataka no mahazo ; ary izay mitady no mahita ; ary izay mandondòna no hovohaina” (Lioka 11:10).
— Ho an’izay manana adin-tsaina : „Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:6, 7).
— Ho an’izay marary : „Fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo” (Romana 8:28).
— Ho an’izay mitady am-bavaka ny lalan-kalehany : „Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho ; hitsinjo anao ny masoko, ka hanolo-tsaina anao Aho” (Salamo 32:8).
— Ho an’izay miatrika ny fahafatesana, dia hoy Jesosy : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” (Jaona 11:25).
— Ho an’izay mahatsapa ho tandindomin-doza : „Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay” (Salamo 121:8).
— Ho an’izay mahafantatra ny tenany ho meloka : „Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9).