Zoma 25 Novambra 2022

Natahotra izahay, fandrao hidona amin’ny harambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodisambo. Asan’ny Apostoly 27:29

… hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika, izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina, sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin’ny efitra lamba ; tany no nidiran’i Jesosy. Hebreo 6:18-20

 

Vatofantsika

Rehefa mandatsaka vatofantsika ao anatin’ny tafiotra, dia afaka manamarin-toerana ny sambo sy miaro azy tsy ho tra-doza, mandritra ny fotoana fohy. Ao amin’ny andinin-tSoratra Masina voalohany etsy ambony, dia tantsambo feno tebiteby no mandatsaka vatofantsika ao anaty ranomasina, mba hanakanany ny sambo tsy hidona amin’ny vatolampy.

Ny fiainana dia feno tafiotra ihany koa. Inona no hifaharana mba hanoherana ny aretina, ny tsy filaminana ? Ny tafiotra dia mety hahatratra ny eritreritra, rehefa tsy mahita tsirony amin’ny fiainana intsony ny tena, rehefa matahotra ny fahafatesana… Ny mandatsaka vatofantsika toy ny nataon’ireo tantsambo ireo dia kisarisarin’ny fitaovana eo am-pelatanan’ny olombelona mba hanandramana mamaha na manadino ny olana mahazo antsika. Ireo fitaovana ireo anefa tsy tena manome fiarovana amin’ny loza, indrindra moa hoe toeram-pialofana eny an-tseranana.

Ny andinin-tSoratra Masina faharoa indray dia miresaka amintsika ireo tena mpino etỳ an-tany. Manana fanantenana izy ireo, fifamatorana amin’i Jesosy any an-danitra, ka mifikitra mafy, mandrakizay, amin’Ilay Zanak’Andriamanitra.

Tombontsoa manokana ho an’ny mpino rehetra io „vatofantsiky ny aina” io, fifamatorana akaiky dia akaiky amin’i Jesosy, ary tsy mety rava. Ny Tompo mihitsy no manamafy hoe : „Izay mino [Ahy] no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6:47). Ny mamatotra ny mpino amin’i Jesosy dia ny fitiavan’ny Mpamonjiny azy. Novidiny lafo aoka izany izy, ka tsy hafoiny na oviana na oviana.

Amin’ny maha kristiana ahy, raha mamakivaky ranomasina misafotofoto mafy aho ankehitriny (fitsapana manokana, herisetra, ady, loza ara-boajanahary…), dia fantatro fa tsy misy na inona na inona hahasaraka ahy amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika (Romana 8:39).