Asabotsy 26 Novambra 2022
Indro, manana anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Ismaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah. Genesisy 16:11
Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho. Fitomaniana 3:56
Andriamanitra dia mahare ary mamaly ny vavaka ataontsika aminy. Henony ny sentontsika, ny antso feno tahotra, fanahiana, ary fifaliana ihany koa.
Ao amin’ny Baiboly, ny filazana voalohany hoe nihaino Andriamanitra, dia tamin’i Hagara nandositra lavitra an’i Saray tompovaviny : „Efa nihaino ny fahorianao Jehovah”. Bevohoka izy, ary nilazan’ilay anjelin’i Jehovah fa hiteraka zazalahy, izay homeny anarana hoe Ismaela, midika hoe : „Andriamanitra mihaino”. Ho an’i Hagara, ny fisian’io ankizilahy kely io dia hampahatsiaro azy isanandro fa nihaino azy Andriamanitra, niresaka taminy, ary namaly azy.
Tatỳ aoriana, tao anaty toejavatra nampamoy fo i Hagara, ka nanary ny zanany teo ampototra hazo kely iray, mba tsy hahita ny hahafatesany. Dia nahare fampaherezana mahery indray izy, hoe : „Inona izato manjo anao, ry Hagara ? aza matahotra, fa efa ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza, eo amin’ny itoerany” (Genesisy 21:17). Valim-bavaka re izany ! Tsy ataon’Andriamanitra tsinontsinona ny kiakiak’ireo ankizy madinika. Namaly an’i Hagara Izy, ka nanoro azy lavaka fantsakana hampisotroana rano azy.
Aoka isika ho resy lahatra fa mahare antsika Andriamanitra, ary ndao hiresaka aminy amin’ny vavaka, na dia sento fotsiny ihany aza izany vavaka izany. „Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:6, 7). Eny, aza hadinointsika tokoa ny fisaorana sy ny fiderana, satria mendrika izany ny Andriamanitsika ary mankasitraka izany.