Alahady 27 Novambra 2022

Tahaka ny fiantran’ny ray ny zanany no fiantran’i Jehovah izay matahotra Azy. Salamo 103:13

Ny fisainan’i Jehovah asehony amin’izay matahotra Azy. Salamo 25:14

 

Mifaly matahotra an’Andriamanitra

Fiteny matetika ao amin’ny Baiboly ny hoe : „Aza matahotra” ; ary io no fampaherezana miverina imbetsaka indrindra, ao amin’ny Testamenta Taloha. Asehon’Andriamanitra antsika amin’izany fa andrasany isika hametraka ny fitokiantsika aminy. Manana teny manome toky antsika Izy, mampahatsiahy fa tsy misy isika raha tsy noho Izy, ary avy aminy ny zavatra rehetra ananantsika. Ampirisihin’Andriamanitra isika ho feno fatokiana Azy, satria tiany ho afaka amin’ny tebiteby sy fanahiantsika. Eo akaikiny no fialofana ho antsika sy fiarovana antsika.

Tsy mifanohitra anefa ny teny ao amin’ny Baiboly, mangataka antsika mba hatahotra an’Andriamanitra ihany koa. Fa eo kosa, ny hoe matahotra dia tsy midika hoe mangorohoro. Ny matahotra an’Andriamanitra, voalohany indrindra, dia „fiandoham-pahendrena” (Salamo 111:10), fahatsapana ny halehibeny tsy hita fetra sy ny harefontsika, fanajana Azy araka ny maha Mpahary antsika Azy. Tsy mba Andriamanitra lavitra, tsy azo hatonina Izy, na koa Andriamanitra manameloka sy mandà antsika, fa te hisarika antsika hanatona Azy aza, satria tia antsika. Koa satria isika matahotra ny fahamarinany sy ny fahamasinany, dia voatarika hijery an’i Jesosy, Ilay Mpamonjy. Izy no nanokatra ny lalana mankany amin’Andriamanitra, tamin’ny nanolorany ny ainy, teo amin’ny hazofijaliana, mba hamonjeny antsika. Raha mino Azy isika, dia omeny aim-baovao, ahafahantsika mihaona amin’Ilay Andriamanitra masina ho Ilay Raintsika any an-danitra, sy midera ny fitiavany. Mino an’Andriamanitra sy matoky Azy : izany no fiandohan’ny fahatahorana Azy, fahatahorana masina tokony hananan’ny olona rehetra. Milaza mihitsy aza ny teny faminaniana manambara an’i Jesosy, hoe : „Ary ho hanitra ankasitrahina aminy ny fahatahorana an’i Jehovah” (Isaia 11:3).