Alatsinainy 28 Novambra 2022
Fa Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka, ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao. Salamo 86:5
Mino isika fa ny fahasoavan’i Jesosy Tompo no hamonjena antsika. Asan’ny Apostoly 15:11
Nisy vehivavy iray, hono, nanatona an’i Napoléon an-dranomaso mba hangataka famotsoran-keloka ho an’ny zanany lahy. Novalian’ny amperora fa tsy azo atao izany ; nitsoaka an-daharana io tovolahy miaramila io, ary namadika mihitsy aza, ka noho izany dia takin’ny fitsarana ny hitifirana azy.
— Tsy ny rariny anie no angatahako e, hoy ilay reny nitalaho. Famotsoran-keloka no italahoako.
— Averiko aminao, tompoko, fa tsy mendrika famotsoran-keloka ny zanakao, hoy i Napoléon, namerina ny teniny.
— Ry mpanjaka ô, hoy ilay vehivavy niantso, tsy ho famotsoran-keloka izany, raha mendrika azy ! Famotsoran-keloka, izay ihany no angatahiko !
— Raha izany àry, dia omeko famotsoran-keloka izy.
Dia tsy namono azy ny amperora.
Tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra aho, raha mampiseho asa soa aminy na mitady fialan-tsiny. Fa raha toa kosa aho mangataka ny fiantrany tsy hita lany, ny famindrampony lehibe, dia tsy ho diso fanantenana na oviana na oviana : omeny maimaimpoana, ho an’izay mitodika aminy, ny fahasoavany sy ny famonjeny. Rehefa manaiky tokoa mantsy aho fa tsy mahay manao na inona na inona samirery, very, tsy manana vahaolana, dia miaiky koa fa misy Andriamanitra ary mahay mamonjy sy te hamonjy ahy. Izy dia tena tia antsika tokoa amina fitiavana mandrakizay (Jeremia 31:3), fitiavana tsy mendrika ho antsika (Romana 5:6), na dia mahatsapa tena ho fadiranovana aza isika, tsy mendrika hotiavina. Ho an’ireny olona ireny indrindra no nahatongavan’i Jesosy : „Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka” (Lioka 5:32). Ny fibebahana tokoa mantsy dia hoe mitondra eo aminy ny fahantran’ny tena, ny tsy fahamendrehan’ny tena, ny fahadisoan’ny tena. Ataovy tsotra fotsiny izany, dia hahazo antoka eo no ho eo ianao ny amin’ny famelany heloka ; ho fantatrao ny fahasoavany sy ny fiadanany.