Talata 29 Novambra 2022
Koa amin’izany miambena ianareo ; fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny Tomponareo… Koa miomàna kosa ianareo. Matio 24:42, 44
Andro vitsivitsy talohan’ny hanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana, dia mbola nampianatra ihany Jesosy. Ho faty Izy, avy eo hitsangan-ko velona indray, ary hiakatra any an-danitra. Manjaka Izy, saingy mbola tsy etỳ an-tany tsy akory. Hoy Izy : „Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao” (Jaona 18:36). Hifarana izao vanimpotoana iainantsika ankehitriny izao, rehefa hiverina Izy haka ireo rehetra miandry Azy. Hazavainy amin’izao tantara izao izany : „Ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ary ny dimy tamin’ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza ; ary ny hendry kosa nitondra solika… sy ny fanalany. Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe : Indry ny mpampakatra ! mivoaha mba hitsena azy. Dia nitsangana ireo virijina rehetra ireo, ka samy namboatra ny fanalany. Dia hoy ny adala tamin’ny hendry : Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay ; fa efa ho faty ny fanalanay. Fa ny hendry namaly ka nanao hoe : … mandehana mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo. Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakarambady, ary dia narindrina ny varavarana. Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo, ka nanao hoe : Tompoko, tompoko, vohay izahay. Fa izy namaly hoe : Lazaiko aminareo marina tokoa : Tsy fantatro ianareo. Koa amin’izany, miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.” (Matio 25:1-13).
Ireo virijiny folo ireo dia ianao, izaho. Ny hoe manana diloilo ao amin’ny fanalany, dia ny nandray ny ain’Andriamanitra amin’ny finoana ny Tompo Jesosy. Koa izao ankehitriny izao no tokony hiomana !