Alarobia 30 Novambra 2022

Koa mitafia… fahamoram-panahy, fanetrentena, fahalemem-panahy… araka ny olom-boafidin’Andriamanitra… Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany ; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo, no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Kolosiana 3:12, 13

 

Valifaty mihaja

Indray hariva dia nody avy teny an-kianjam-bahoaka ilay Ateniana Périclès, ary narahin’olona iray niantsoantso nanompa mafy azy, mandra-pahatongany tany an-tranony. Tsy namaly i Périclès na dia indraim-bava aza. Rehefa tonga tao an-tranony izy, dia niantso mpanompony iray ary niteny taminy hoe : „Makà fanilo, ary atero any an-tranony ralehilahy io”.

Ny fihetsik’i Périclès dia mampahatsiaro antsika ny an’i Jesosy, Izay „raha notevatevaina… dia tsy mba nanevateva ; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina” (1 Petera 2:23). Fon’iza anefa no mora tohina noho ny Azy, manoloana ny tsy fahatakaran’ny olona, ny fanaovana tsinontsinona, ny faniratsirana ? Tsy nilaza ve Izy hoe : „Ny latsa dia nanorotoro ny foko, ka reraka indrindra aho” (Salamo 69:20) ? Izy, Ilay „Lehilahy ory” (Isaia 53:3), dia nanao teny feno hamoram-panahy tamin’ireo fahavalony. Tsy mba nitaky ny zony Izy, fa nifanohitra tamin’izany aza : nandà izany Izy, ary nanaiky hizaka ny fanomboana teo amin’ny hazofijaliana, mba hamonjeny antsika. Ary rehefa voahombo teo amin’ny hazofijaliana Izy, dia nivavaka ho an’ireo mpampijaly Azy, hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).

Ry kristiana namana, ahoana no ataontsika manoloana ny fanesoana na izay rehetra misotasota amintsika ? Haintsika ve ny manaraka ny ohatra napetrak’Ilay Mpamonjintsika ? Afaka manao izany isika, tsy hoe amin’ny herintsika samirery, fa „satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika” (Romana 5:5). Ary io fitiavana io dia „tsy mora sosotra, tsy manao otri-po… mandefitra ny zavatra rehetra… maharitra ny zavatra rehetra” (1 Korintiana 13:5-7). Fandaharana anie izany e !