Alakamisy 1 Desambra 2022

Ny Tompo nitsangana teo anilany, tamin’iny alina iny, ka nanao hoe : Matokia. Asan’ny Apostoly 23:11

Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako, dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra… Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako, ka nampahery ahy. 2 Timoty 4:16, 17

 

Mpitsidika amin’ny andro alina

Tsara vakina : Asan’ny Apostoly 23:1-11

Tany Jerosalema ny apostoly Paoly, lasibatry ny fanoherana mamaivain’ireo mpiara-mivavaka aminy taloha. Ambivitra ny nanesoran’ny miaramila romana azy tamin’ireo izay nifofo ny ainy, ary tsy maintsy niseho teo anatrehan’ny mpisoronabe sy ny fitsarana ara-pivavahana izy. Vao nanomboka niteny izy, dia nasain’ny mpisoronabe nokapohina ny vavany. Namaly tamin’ny teny naniratsira i Paoly, tsy nahalala fa ny mpisoronabe io. Saingy raha vao fantany izany, dia notsoahiny ny teniny. Nanaiky ny hasina napetrak’Andriamanitra tamin’io lehilahy io izy, na teo aza ny haratsian’izy io. Avy eo izy dia nitory momba ny fitsanganana amin’ny maty, izay lohahevitra mampifanohitra ireo mpihaino azy, ka nahatonga azy ireo hifanandrina. Korontana be no vokatr’izany, ka voatery nesorina indray i Paoly, sao hiharan’ny herisetran’ireo mpanohitra, ary nentina niverina tany an-tranomaizina.

Inona no mety ho fihetsehampon’i Paoly voafonja, tamin’io alina io ? Harerahan-tsaina ve ? hasanganehana ? nenina satria nisendaotra ? … Tamin’izay indrindra ny Tompo no nanatona sy nampahery azy.

Eo amin’ny fiainana maha kristiana antsika, dia misy fotoan-tsarotra mampisy safotofoto na fifandirana. Indraindray dia isika no diso, ka mahatsiaro tena ho reraka, sanganehana, na menatra. Amin’ireny fotoana ireny dia manatona antsika ny Tompo. Miresaka amintsika manokana Izy, ataony tsapantsika ny fijoroany eo anilantsika, sady tsy manome tsiny antsika Izy. Teny vitsivitsy feno halemem-panahy, tandrify indrindra izay mahazo antsika amin’io fotoana io, dia manamaivamaivana ny fontsika sy manome hery antsika indray mba hirosoana. Rehefa tsy misy an’iza na iza intsony eo, Izy kosa dia eo mandrakariva ! Tsy miova Izy !