Zoma 2 Desambra 2022

(Hoy Jesosy :) Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo. Matio 18:3

Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo. Asan’ny Apostoly 3:19

 

Miova fo

Ny tantaran’ny fiovam-pon’ny tsirairay dia tsy manan-tsahala ary manaitra. Ndao hijery ny fiovam-pon’i Paoly, voatantara ao amin’ny Baiboly. Talohan’ny naha apostoly azy, apostoly nanankinana fanambarana tena manan-danja, dia nanenjika ny kristiana nandrafitra ny Fiangonana vao teraka izy. Nefa nampitodi-doha azy tanteraka ny Tompo, rehefa naneho ny tenany taminy. Nanomboka teo i Paoly dia niasa nandritra ny androm-piainany, mba hanasoa io Fiangonana notadiaviny hopotehina io taloha.

Ny hoe miova fo dia mibanjina an’Andriamanitra, ary mahatakatra fa manome lamosina Azy sady tsy afaka mandahatra toejavatra manalefaka ny fahadisoan’ny tena. Manaraka izany dia manohy ny fiainan’ny tena, saingy miova fizotra, miverina amin’Andriamanitra (1 Tesaloniana 1:9). Tsy hay hazavaina ny fiovam-po, nefa miseho eo amin’izay mankeo amin’ny fahazavan’Ilay Andriamanitra masina, miaiky ny toetrany eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fanamelohana mendrika azy. Ny Filazantsara dia miresaka amintsika lehilahy iray nahatsapa ny fanalavirany an’Andriamanitra, ka tohina niteny mafy tsotra fotsiny hoe : „Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota” (Lioka 18:13).

Rehefa miova fo isika dia afaka mahalala ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra sy mandray ny aim-baovao omen’i Kristy ho an’izay mibebaka. Satria „tsy maintsy hateraka indray ianareo”, hoy Jesosy (Jaona 3:7). Tsy maintsy mino isika fa „Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany” (1 Jaona 4:9), „Kristy maty noho ny fahotantsika… ary natsangana” (1 Korintiana 15:3, 4). Tsy manery an’iza na iza Andriamanitra ; nefa satria tiany ny olona rehetra, dia iriny hiova fizotra, hiova fo sy hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.