Asabotsy 3 Desambra 2022

… satria avy hialoka eo ambanin’ny elany (elatr’Andriamanitra) ianao. Rota 2:12

Mialoka eo amin’ny aloky ny elatrao ny zanak’olombelona. Salamo 36:7

… izay nitondrako anareo tamin’ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko. Eksodosy 19:4

 

Ny elatr’Andriamanitra (5)

Ny Baiboly dia milaza ny tantara-na vehivavy iray tonga mba hialoka eo ambanin’ny elatr’Andriamanitra. Tsy iza io fa i Rota, vehivavy tanora mpitondratena, nandao ny tany niaviany ary nanaraka an’i Naomy rafozambaviny any Israely. Tsy nandeha tany mba hitady fialofana i Rota, fa mba hanjary Andriamaniny ny Andriamanitr’i Naomy. Nankany izy hialoka eo ambanin’ny „elatr’Andriamanitra”, elatra kisarisarin’ny fiarovany sy ny fanatrehany.

„Mila torohevitra ve ianao ? Raha te handositra ianao, mandosira any amin’Andriamanitra. Mandosira any aminy ary mieke aminy ny helokao, fa tsy hoe miafena Azy. Tsy afaka hiafina Azy mantsy ianao, nefa kosa afaka miaiky aminy ireo fahadisoanao” (Saint Augustin).

Rehefa tojo zava-tsarotra isika, na fakam-panahy, fitsiriritana, dia aoka handositra any amin’Andriamanitra, hanatona Azy amin’ny vavaka. Ndao hiaiky aminy ireo fahadisoantsika, hialoka eo ambanin’ny elany ; dia hampitolagaga antsika ny fahasoavany.

Ny andinin-tSoratra Masina fahatelo etsy ambony dia mampahatsiaro antsika fa nikarakara ny vahoakany Andriamanitra, mba hamoaka azy avy any Egypta, toy ny hoe nentiny tamina elatra. Rehefa mianatra manidina ny zana-boromahery, dia manampy azy ny ray aman-dreniny ka manidina eo ambany keliny eo, mba hampitony sy hampilamin-tsaina azy ireo. Andriamanitra dia eo mandrakariva, mba hampianatra antsika, hitondra antsika ary hanohana antsika ho amin’ny fitomboantsika ara-panahy.

Ny reniakoho ihany koa dia manangona ny zanany ao ambany elany, mba hiarovany azy ireo amin’ny biby mpihaza azy (Lioka 13:34). Sary mahafinaritra moa izany, maneho ny fitiavan’Andriamanitra ny zanany sy ny fikarakarany azy ireo ! Entina, alofana : fitahiana moa izany !