Talata 21 Marsa 2023

Hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona. Zakaria 12:10

Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe : … „Hijery Izay nolefoniny izy”. Jaona 19:36-37

 

Marina amin’ny antsipiriany ny Teny faminaniana

Zakaria mpaminany dia nanambara mialoha ny hanomboana ny Mesia eo amin’ny hazofijaliana. Indray andro any, hoy izy, dia hijery „Izay nolefoniny” ny vahoaka. Hitomany izy rehefa hahatsapa fa hay tsy nahafantatra Ilay Mesiany, ka nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana.

Tokony ho taonjato dimy tatỳ aoriana, dia nampahatsiahy izany voasoratr’i Zakaria izany i Jaona nanoratra filazantsara. Voahombo teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, niala aina Izy, ary nisy miaramila nanindrona ny lanivoany tamin’ny lefony. Nitranga tokoa izany, mba hahatanteraka ny teny faminaniana hoe : „Hijery Izay nolefoniny izy”.

Izay mbola ho avy, tamin’ny andron’i Zakaria, dia efa tanteraka ankehitriny, satria nisy miaramila nanindrona ny lanivoan’i Jesosy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Teo ambonin’ny hazofijaliana dia nisy takelaka nilaza hoe : „Jesosy avy any Nazareta, Mpanjakan’ny Jiosy” (Jaona 19:19). Ilay voahombo tokoa no Ilay Mpanjaka, Ilay Mesia nandrasana.

Mbola ambaran’i Zakaria ihany koa fa any aoriana any dia ho tsapan’ny vahoaka Israely ny hadisoany. Tanteraka ny fanomboana teo amin’ny hazofijaliana sy ny fihetsik’ilay miaramila, izay nambaran’i Zakaria ; tsy maintsy ho tanteraka toy izany koa ny tohin’ny faminaniana. Rehefa hiaiky io vahoaka io fa Jesosy no Ilay Mesiany, dia hitomany mafy noho ny aminy izy ireo, hahatsapa ny fahotana nataony…

Marina amin’ny antsipiriany ny Tenin’Andriamanitra, ka tsy maintsy ho tohina izay mamaky azy am-pitandremana. Aoka isika hatoky fa izay rehetra ambarany dia ho tanteraka ara-bakiteny (Marka 13:31).