Alarobia 22 Marsa 2023
Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. 1 Petera 3:18
Nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra. Isaia 53:6
„Nanaiky ho faty izy, mba ho velona ny tsy manan-tsiny iray.” Izany teny izany dia notononina tamin’ny fandevenana an’i Arnaud Beltrame, ny 28 mars 2018. Io zandarma manamboninahitra io dia nanolo-tena hisolo toerana takalon’aina iray notanana mpampihorohoro tao amina magazay ; vokatr’izany dia naratra mafy izy ka maty. Niteraka fanehoam-pankasitrahana sy fihetseham-po maro manerana an’i Frantsa ny sorona nataon’io lehilahy be herimpo io.
Manoloana izany ohatra fandavan-tena izany, ahoana no tsy hieritreritra ny asa nataon’i Jesosy Kristy ? Nanolotra ny ainy Izy, tsy hoe hisolo olona tsy manan-tsiny iray, fa mba hamonjy ho mandrakizay ny olona meloka rehetra izay mino Azy !
Ny Baiboly dia manambara tsy misy olakolaka fa meloka isika rehetra, voaheloky ny fitsaran’Andriamanitra : „Fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6:23). Soa ihany io fanambarana io fa mbola arahina teny hafa hoe : „Ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika”. Tsy milefitra ny fitsaran’Andriamanitra, manameloka antsika rehetra, nefa kosa vonona hamonjy antsika ny fahasoavany tsy hita lany. Nefa matoa aroso ho antsika io famonjena io ankehitriny, dia satria Jesosy Kristy tsy maintsy naka ny toerantsika, niaritra ny fitsaran’Ilay Andriamanitra masina : ny fahafatesany no maha velona antsika.
Na oviana na oviana io takalon’aina navotsotra io tsy hanadino ny sorona nataon’i Arnaud Beltrame ! Isika ihany koa, aoka tsy hanadino mihitsy ny fitiavan’i Jesosy, Izay nitia antsika hatramin’ny fahafatesana, mba hanome antsika ny fiainana mandrakizay eo akaikiny.