Alakamisy 23 Marsa 2023

Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Salamo 32:1

Ny fitiavana manarona fahotana maro. 1 Petera 4:8

 

Fahotana voasarona

Ao amin’ny Baiboly, ny fiteny hoe „manarona fahotana” dia tsy midika tsy akory hoe manafina ny ratsy na mamela izany amin’izao. Raha misy olona iray mibebaka, ka mitodika amin’Andriamanitra, dia saronan’Andriamanitra ny fahotany, izany hoe esoriny tsy ho eo anatrehan’io olona io ary tsy ho tsaroany intsony (jereo ny andinin-tSoratra Masina androany). Manao izany Andriamanitra, tsy hoe manao tsinontsinona ny fahamarinany na ny fahamasinany anefa. Izy mantsy dia „madio maso, ka tsy te hitsinjo ny ratsy” (Habakoka 1:13).

Nefa ho an’ireo izay mino an’i Jesosy Kristy ka mandray Azy ho Mpamonjiny, sy miaiky aminy ny fahotany, dia voaisotra tanteraka ny ratsy, noho ny rany latsaka teo amin’ny hazofijaliana. Ho tsy marina Andriamanitra, eo anatrehan’i Kristy Zanany, raha mampitondra mpino iray ny vesatra fahotana efa niekeny. Rehefa kristiana mantsy, dia miantehitra amin’ny fanambaran’ny Baiboly hoe : „Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra), ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9). Ny fiekena heloka amin’ny Tompo dia ahazoana famelan-keloka hatrany. Satria isika mahafantatra ny sarany nefain’i Jesosy ho amin’io famelan-keloka io, dia hikatsaka hanao izay mahafaly Azy, ka hiezaka tsy hamerina indray ireo fahadisoana efa fantatra.

Ary izaho manokana, eo amin’ny fiainako kristiana, inona no tokony hataoko raha mahare fa manao ratsy ny namako kristiana iray ? Voalohany indrindra, ary tsy maintsy ataoko, dia „manarona” azy koa aho : tsy miresaka izany na amin’iza na amin’iza, afa-tsy amin’Andriamanitra. Avy eo aho dia manatona an’ilay namako, ary miresaka aminy imaso imaso, mba hitarika azy hahalala ny tsy nety nataony, ary hiaiky io fahadisoana io sy hiala amin’izany. Tena ilaina izany, mba hahita fifandraisana madio amin’Andriamanitra indray ilay namako.