Zoma 24 Marsa 2023
Nirenireny tany an’efitra ireny, ka nanavatsava tany an-tany foana, ary tsy nahita tanàna honenana. Noana sy nangetaheta izy, sady reraka ny ainy tao anatiny. Dia nitaraina tamin’i Jehovah ireo, raha ory, ka novonjeny tamin’ny fahatereny ; dia nitondra azy tamin’ny làlana mahitsy Izy. Salamo 107:4-7
Koeun, tovolahy avy any Cambodge, no mitantara : „Nandositra ny „Khmera mena” aho, hanavotako ny aiko. Nirenireny nandritra ny herinandro maro aho, tao anaty hatsiaka, hanoanana ary tahotra, dia lasa gadra tany amina firenena teo anila. Tao dia nisy olona tonga niresaka tamiko momba Ilay Andriamanitry ny Baiboly, Izay hafa tanteraka tsy toy ireo andriamanitra ivavahan’ny fianakaviako sy ny mpiray firenena amiko. Tsy nahalala ahy ireo andriamanitra ireo, fony aho namoy fo nandositra ; nefa ve io Andriamanitry ny Baiboly io mahita ny ao anatin’ny „Khmera mena” sy ny ato anatiko ? Fantany ve izay eritreretiko sy tsapako ? Matetika aho manana eritreritra nahamenatra ahy, ary maivamaivana nahafantatra hoe izaho irery no mahalala azy ireny. Raha mitsara ahy amin’izay zavatra rehetra nataoko sy izay rehetra nokasaiko Andriamanitra, dia ho voaheloka aho !”
Dia nitodika tany amin’ilay ramatoa nitsidika azy izy, ary niteny taminy hoe : „Hoy ianao hoe aorianan’ny fahafatesana dia hotsarain’Andriamanitra aho ; koa izany ve no ataonao hoe vaovao mahafaly ?
— Rehefa maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy Kristy, hoy izy namaly, dia nandray ny fanamelohana sahaza antsika rehetra. Raha matoky Azy ianao, dia ho afaka amin’ny fanamelohana, ho voavela heloka, ary handray ilay fanomezana tsy mendrika antsika, dia ny fiainana mandrakizay. Izany no vaovao mahafaly ambaran’ny finoana kristiana : fanomezana tsy mendrika antsika… Nahalasa eritreritra ahy izany zavatra izany. Ao amin’ny lalàna bodista momba ny karma, dia tsy misy zavatra azo maimaimpoana izany. Toa tsy haiko heverina mihitsy ny hoe misy olona afaka mandray eo amin’ny tenany ny vokatry ny asa ratsiko. Tena hafa noho izay rehetra reko hatramin’izao izany vaovao mahafaly izany.”
(hitohy sy hifarana rahampitso)