Asabotsy 25 Marsa 2023
Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy. Efesiana 4:32
„Nahita sy nahatakatra ny fahamarinana notadiaviko hatry ny ela ihany aho, nony farany. Jesosy, Izay teo anilako, no niaro ahy sy nitari-dalana ahy, na dia tsy fantatro aza Izy tamin’izany fotoana izany. Izy irery, Izay mbola velona hatrany, no mahery afaka miasa eo amin’ny fiainako. Noho Izy aho no tsy maty. Manan-trosa aminy amin’ny aiko aho. Manan-trosa aminy amin’ny zavatra rehetra aho.”
Mbola nisy zavatra iray anefa, nihazona an’i Koeun. Teo amin’ny hazofijaliana, io Jesosy hitany io dia namela heloka ireo nampijaly azy. Izy kosa tsy ho afaka hamela heloka na oviana na oviana ny „Khmera mena”… Taoriana-na ady anaty mangotraka izy vao nanaiky hahafoy ny fangidiana sy ny fankahalana manontolo nameno azy. „Tsapako tampoka fa nisy enta-mavesatra niala teo an-tsoroko. Nahatsiaro ho maivamaivana aho. Nandritra izay taona maro izay, ny fankahalana sy ny faniriana hamaly faty dia nanamainty ny fijeriko. Na teo aza ny haizina nanodidina, dia izay aho vao nahatsapa ho nahita mazava. Dia nisy fiadanana tsapako nameno ny foko. Afaka aho, tena afaka. Tsy fahafahana ara-batana na ara-pôlitika, araka ny nantenaiko tsy akory. Fa hitako ny tena fahafahana, dia ilay tsy miankina amina toejava-mitranga, ilay tsy azon’iza na iza esorina amiko na oviana na oviana, na mihidy ao anaty rindrina efatry ny fonja aza aho, na babo an’ady any am-param-bazantany any. Nanam-piadanana aho, nanomboka hatreo, afaka tao am-poko tamin’ny rojon’ny fahamelohana, fisalasalana, fankahalana, fihetsehampo rehetra nikiky ahy. Jesosy mihitsy no tonga nanatona ahy, nahita ahy Izy, ary nanome ahy ny fiadanany.”
(nalaina tao amin’ny „Rescapé malgré moi”, Koeun Path)