Alahady 26 Marsa 2023
Andriamanitra, lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra. 1 Jaona 3:20
Izy (Jesosy) nahalala ihany izay efa hataony. Jaona 6:6
Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe : Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra. Marka 7:37
Talohan’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana, dia niaraka tamin’ny mpianany Jesosy. „Dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany, ary naka lamba famaohana ka nisikinany ; ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin’ny tavy Izy, ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ny lamba famaohana izay nisikinany”. Nanangana an’i Lazarosy ho velona indray Jesosy, nandeha teny ambony rano, nanao fahagagana sy zava-mahatalanjona maro, ary ankehitriny Izy dia eo anoloanan’ny mpianatra mba hanasa sy hamaoka ny tongotr’izy ireo, asa fanokana ho an’ny andevo. Tsy takatr’i Petera izany, tsy te hanaiky izany izy. Namaly azy tan-kalemem-panahy ny Tompo hoe : „Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay”.
Impiry moa isika no tsy mahatakatra izay ataon’Ilay Andriamanitsika ! Dia manao toa an’i Petera isika, tsy manaiky hahita ny Tompony eo amin’ny toerana mpanompo. Matetika dia ny fisainana heverintsika ho mitombina no mitarika antsika, fa tsy ny fahendren’Andriamanitra.
Tokony hahatakatra ny zavatra rehetra ve, vao hanaiky sy hankatò an’Andriamanitra, vao hanaraka ny Tompo ? Tsy maintsy mahalala ny zavatra rehetra ve, vao hatoky Azy sy hamela Azy hiasa ? Fantatr’Andriamanitra izay mahasoa antsika. Mahasoa antsika ny zavatra rehetra tadiaviny amintsika, ny zavatra rehetra avelany hitranga. Tsy mba mety ho diso mihitsy Izy. „Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra” (Romana 8:28).
Mahafantatra ny fitiavan’ny Tompontsika, resy lahatra fa lavorary izay ataony, ary manadino ny tena, ireo no fototra mampandroso antsika ara-panahy, fanalahidin’ny fahasambarantsika isanandro.