Alatsinainy 27 Marsa 2023
(Hoy Jesosy :) Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako. Jaona 10:27-28
Mampihoron-koditra ny faran’ny tantaran’i Jodasy, ary mampieritreritra antsika. Ny tantaran’i Simona Petera kosa dia mampahery ny mpino tsirairay.
Nanambara i Simona fa tia an’i Jesosy, ka vonona hiaraka aminy hatramin’ny fahafatesana (Lioka 22:33). Nefa Jesosy nampandre azy hoe handà Azy intelo izy… Ary tanteraka izay nolazain’i Jesosy : tao anatin’ny indray alina monja i Petera dia nandà intelo an’i Jesosy.
Jesosy tsy mba nanao tamin’i Petera toy izay nataon’i Satana tamin’i Jodasy. Nivavaka mialoha ho azy Izy. Ary vantany vao avy nandà Azy i Petera, dia nojereny tam-pitiavana. Taorianan’ny nitsanganany velona indray Jesosy dia nikarakara ilay mpianany. Ny tohiny dia manaporofo fa tena nisy, ary tafaverina tamin’ny laoniny, ny fifandraisan’i Simona tamin’i Jesosy.
Ry kristiana, Ilay Tompon’i Simona ihany no Tomponao. Angamba ianao nanao ratsy, ary tsy niraharaha ny fampitandreman’i Jesosy ? Angamba ianao nihevitra ho afaka miatrika amin’ny herinao manokana ny zava-tsarotra… kanjo ratsy fiafara ny zava-drehetra ?
Jesosy dia Tompo tsara sy mahatoky, ka tsy handao anao na oviana na oviana. Mba hananany anao miaraka aminy ao anaty fahasambarana mandrakizay, dia nanefa ny sarany lafo indrindra Izy, teo amin’ny hazofijaliana. Tia anao Izy ! Na ao anaty fotoana faran’izay sarotra aza, dia misy hatrany ny fanantenana, ho anao izay efa an’i Jesosy.
Ao amin’ny epistiliny dia sambatra Simona Petera milaza ny tenany ho „mpanompon’i Jesosy Kristy” (2 Petera 1:1). Aminy dia tombon-dahiny sy anaram-boninahitra io fifandraisana io. Maty maritiora izy, ary nanolotra ny ainy tokoa ho an’Ilay Tompo malalany.
Aza manaiky hofitahin’i Satana, izay tsy mitady ny hahasoa anao, na amin’inona na amin’inona. Aleo manankina ny fiainanao amin’i Jesosy, satria mahasoa ny hoe Azy !
(farany)